Raharaha any Maroantsetra : Voamarina fa daroka nataon’ny pôlisy no nahafaty ilay tovolahy

Niresaka tamin’ny antso an-tariby tamin’ny mpanao gazety nilaza ny tena zava-misy any Maroantsetra ny lehiben’ny distrika any an-toerana, Atoa Raharison Mahatombo. Nandritra izany no nilazany fa raha ny taratasy fanamarinana ny nahafaty ilay tovolahy navoakan’ny mpitsabo ho azy ireo dia tena daroka nataon’ny polisy azy, ny zoma lasa teo, no niterika ny fahafatesany. Raha ny fanazavana aza dia efa ny zoma alina nihazonana azy tao amin’ny tranomazin’ny polisy tao Maroantsetra no efa nilaza ny maharary azy ilay tovolahy mpianatra, saingy niandry maraina ireo polisy vao nitondra azy teny amin’ny hopitalin’i Maroantsetra. Nahita ny zava-misy sy ny tatitra nataon’ny mpitsabo ny anton’ny nahafaty io tovolahy io koa ny minisitry ny atitany, ny minisitry ny filaminam-bahoaka, ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ary ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena. Any an-toerana mantsy izy ireo hatramin’ny alahady teo, ka vao nigadona tao Maroantsetra dia namangy ny fianakavian’ilay tovolahy maty. Taorian’izany dia namory ireo tangalamena an-tanana, ary nisy ny fifampiresahana ihany koa tamin’ny vahoaka. Hentitra ireto iraky ny governemanta tonga tany Maroantsetra ny alahady teo ireto, fa tsy maintsy atao ny fanadihadiana ary tsy maintsy hizaka ny vokatry ny nataony izay nanao ny tsy mety rehetra. Na izany aza, mbola tsy misy aloha ny fisamborana na teo amin’ny vahoaka izany, na teo amin’ny polisy nahatonga ny olana. Raha ny vaovao farany azo izao, na efa milamindamin-dratsy aza ao Maroantsetra araka ny filazan’ny lehiben’ny distrika any an-toerana, dia 16 tamin’ireo 22 trano may nodoran’ny vahoaka tezitra ireo dia tranon’ny polisy miasa any Maroentsetra avokoa. Midika izany fa tra-boina tanteraka ny polisy miasa sy ny vady aman-janany any Maroantsetra ankehitriny.

Malala Didier

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Un Commentaire - Ecrire un commentaire

  1. Mba jereo ry tompon’andraikitra ny zavatra ataon’ ny police-nareo fa tena toa lasa hery famoretana sy tsy manara-dalana ,ka mba recycle-o kely ry zareo na avereno mianatra indray any @ ecole de police fa manaonao foana .

Poster un commentaire