RN 34 : Kamiao nitondra « palissandre » saron’ny zandary

Fiara lehibe iray no saron’ny zandary nitondra hazo sarobidy tsy misy taratasy fahazoan-dalana. Tao Betafo amin’ny lalam-pirenena faha-34 no nahatratrarana ireto hazo sarobidy ireo rehefa nandalo ny fisavana nataon’ny zandary avy amin’ny BPR Antsirabe. Fantatra fa fiara avy niasa nanamboatra lalana tao Belo Tsiribihina ity fiara lehibe ity. Raha ny fanazavana dia kapakapain’ny olona atao kitay eny rehetra eny ny hazo palissandre ao amin’ny faritra andrefana ao ka izany no nahatonga ireo olona nitondra azy ireo, satria fantatra ihany ny hasarobidin’ireny hazo ireny. Na izany na tsy izany, voararan’ny lalana ny fitrandrahana ny hazo toy itony sy ny mitondra azy, noho izany dia tsy maintsy enjehin’ny lalana ny tompon’andraikitra amin’ireto hazo voarara ireto. Efa nogiazana ny hazo sy ilay fiara, hoy ny GPHC Ratianarivo Barilala, kaomandin’ny BPR Antsirabe. Homena ny sampandraharahan’ny rano sy ny ala ireo hazo ireo aorian’ny fizahana azy.

Andry N.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Un Commentaire - Ecrire un commentaire

  1. Tompoko ô! iza moa izany no afaka manana fanaka vita amina vokatra eto amintsika, sa ny plastique avy any ivelany no anjarany.. Raha ny malagasy tsy mahazo taratasy haha ara-dalana izany fa raha misy sinoa na ka rana ana vahiny hafa dia afaka mahazo alalana amin’io izy ireo. Ny gasy mangataka ny atiny sy mihafy eto amin’ny taniny. Aiza no toerana haha ara-dalana??? Amiko ny manondrana aza no tokony tsy atao ary anjaran’ny fanjakana no manao « gestion durable » ny loharanon-karena voajanahary @ ny consommation voarindra. Ny gasy tsy afaka ho velona eto aminy fa ny vahiny no manjaka eto. Afaka ho velona izy ary ny harena zony dia ampiasainy eto ihany fa tsy alefa any ivelany. Samia misaina fa tsy hoe tsy mpanara-dalana daholo ny gasy kely fa mba te ho velona. Misaotra tompoko.

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.