Olona voapoizina ara-tsakafo : Feno hipoka Hjra sy Befelatanana

Jacaranda

Tany ho any amin’ny dimampolo  tany ho any ireo narary mafy voatery naiditra hôpitaly vokatry ny fahapoizinana ara-tsakafo nahazo azy ireo tany amin’iny faritra Ambohitsarantany Ankazondandy iny, ny sabotsy hariva teo. Raha ny angom-baovao azo, dia vokatry ny menaka tsy ara-pahasalamana nanaovan’ireo olona ireo sakafo nandritra ny fampakaram-bady tao an-toerana no nahatonga ny loza. Voatery nampakarina tany an-dRenivohitra avokoa ireo olona nihinana izany, izay nalemilemy tampoka : nandoa sy nivalana. Fa ankoatr’io tany Ankazondandy io, dia olona 13 ihany koa naiditra hôpitaly tao Anjozorobe vokatry ny fihinana izany menaka tsy ara-pahasalamana izay ihany, tany Andreba Avaratra. Raha ny vaovao azo moa dia samy efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ary efa tsy misy ahatahorana intsony ny ain’ireto olona an-jatony  narary ireto.

m.L

Share This Post

One Comment - Write a Comment

  1. Tranga ohatra izao no Ilana ny birao mpitily sy mpiahy ny fanamboarana sy ny kalitaon’ ny sakafo na ny antsoina hoe: « Agence pour le contrôle de la chaîne alimentaire et la qualité de l’alimentation ». Tokony ho entitra ny fanjakana amin’io resaka ara-tsakafo io. Aiza ho aiza ny momba an’io any an-toerana?

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.