Tsiroanomandidy Tovolahy 22 taona maty noleran-drainy antsy teo amin’ny tratrany

Jacaranda

Izany tokoa no tonga amin’ilay fitenenana hoe: “izy mivady no miady ka ny ankizy no voaporiporitra”. Tovolahy iray vao 22 taona monja no maty tsy tra-drano rehefa noleran-drainy antsy teo akaikin’ny fony, ny zoma 12 aprily  teo, tokony ho tamin’ny 8 ora alina tao amin’ny tanàna antsoina hoe Amparihimaloto, fokontany Ambohimiarintsoa, kaomina Fiadanantsoa, distrikaTsiroanomandidy. Nisy ny fifamaliana tamin’ity raim-pikaviana ity sy Ramatoa vadiny ka iny handeha hidaroka ity farany ilay rangahy no nosakanan’ilay zanany lahy. Tezitra, noho izany ity rangahy, ka nandray antsy ary avy hatrany dia nanindrona ilay zanany tamin’io zava-maranitra io. Tsy nijery fotsiny anefa ilay reniny, fa niezaka nisintona izany antsy izany teny an-tànan’ny vadiny. Vokany, naratra mafy ihany koa ny tànan’ilay Ramatoa raha tsy avotra intsony kosa ny ain’ity zanany. Nidina tany an-toerana avy hatrany ny zandary raha vao nahazo antso momba io vono olona io ka nisambotra ity lehilahy nahavanon-doza ity, mba hohadihadiana.

T.M.

Share This Post

One Comment - Write a Comment

  1. Aiza ny fanajana ilay aina? Mba olona mitovy aminao loa zay vao zanakao. Fanontanina ho an’ny rehetra: mety ho foana ve ny ratsy raha foanana ny olondratsy? Ary iza ny moramora koakoa ny maka ny fitaovam-piadiana eo ampelatanan’ny olon-dratsy sa ny manome fitaovam-piadiana ho an ny olona tsy manantsiny mba hifandanja ny hery?

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.