Kolikoly sy ny fitsarana fiarakodia : « Tsy ady intsony no atao, fa fialana tanteraka amin’izany »

Jacaranda

Notontosaina ny alakamisy lasa teo, teny amin’ny Foibe fitsarana fiarakodia Alarobia, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fiofanana mikasika ny ady atao amin’ny kolikoly. Izany dia ho fanohizana ny fiaraha-miasa efa nisy teo amin’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikolysy ny DGSR ; izay efa nosoniavina tamin’ny taona 2011. Hahazo tombony manokana amin’ity fiofanana ity, raha ny fanazavana azo, ireo mpitsara fiarakodia rehetra manerana ny Nosy.

Nanamafy Andriamatoa Tale jeneraly DGSR tamin’ny fandraisam-pitenenana nataony nandritra ny fanokafana ity fiofanana ity, fa efa tafapetraka ny CAC (Cellule Anti-Corruption) eto anivon’ity foibe ity. « Tsy ady intsony no atao, fa fialana tanteraka amin’izany kolikoly izany » hoy hatrany izy. Tetsy andanin’izay kosa, dia nanambara Atoa Tale jeneralin’ny BIANCO, fa maro ireo ezaka efa vita kanefa mbola betsaka ireo tokony hotratrarina. Raha ny fampitam-baovao moa, dia zavatra maro no hodinihana ao anatin’izany fanofanana izany ; izay hiompana amin’ny fampahafantarana ny lalàna, ny toe-tsaina sy ny fomba fitondran-tenan’ireo mpiofana ary fifampizarana traikefa. Misy ny vokatra andrasana amin’ireto mpandray anjara tamin’ny fiofanana ireto, aorian’izao mba hamerenana indray ny fitokian’ny mpanjifa an’ity orinasa ity, hoy hatrany ny vaovao.

nangonin’i m.L

Share This Post

One Comment - Write a Comment

  1. Tsy eny ihany tompoko fa mba jereo koa ny ataon’ireo examinateur ery amin’ny ivon-toerana fanadinana fahazoandalana mamily fiara fa misy namana any tsy nataon’iry zalahy afaka mihintsy satria tsy nametraka ho azy ireo nefa efa olona efa antaonany maro no nitondrany fiara fa very ny permis any dia tsy hita tao amin’ny intérieur koa ny souche nanaovana azy efa tamin’ny taona 1992 zany no nahazo permis nefa nony niveruna nanao permis izy dia io tsy mety afaka io

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.