Mpisandoka ny anaran’ny Filoha : Dimy tapitrisa ariary isan’olona no azony

Jacaranda
Iray amin’ireo vehivavy isan’ny nosamborina (sary ZP)

Omaly no niakatra fampanoavana ireo olona izay tompon’andraikitra amin’ny fampiasana ny anaran’ny Filoham-pirenena mivady, mba hentina hanatontosana asa fisolokiana. Milaza izy ireo, fa mpiara-miasa akaiky amin’izy mivady ireo ary misy ny olona 1700  izay tadiavina mba halefa any Frantsa. Izany dia noho ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta, amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa mifandraika amin’ny fikarakarana ny lalao olympika; izay hotanterahina ao amin’io firenena io amin’ny taona 2024. Betsaka ny roboka, satria mbola nampanantenaina koa fa mipetraka any amin’ny hotely kintana telo ary iantohana sakafo mandritra ny fotoanan’ny asa rehetra. Vetivety ny olona dia nahita ny vola izay notakiana, efatra ka hatramin’ny dimy tapitrisa ariary izany,  raha araka ny fanazavan’ny zandarimaria izay nandray an-tànana ny fanadihadiana ity raharaha ity. Nisy ny fitoriana nipetraka rehefa nanomboka nahatsiaro tena ny olona fa voafitaka. Tsy nety lasa tamin’ny daty izay efa nifanarahana mantsy. Nanomboka teo no nisokatra ny fanadihadiana izay niafara tamin’ny fisamborana tamin’ny kartie maromaro teto an-dRenivohitra. Niainga teny Andranonahoatra Itaosy izany ary nandalo teny Andoharanofotsy sy Anosy. Nandritra ny fisavana  ny trano dia nahitana antontan-taratasy maro tao amin’ny trano sasantsasany. Isan’izany ny pasipaoro marobe sy ny CV misy sary; izay efa ho an-jatony. Azo sary an-tsaina sahady ny vola izay mety efa azon’ity tambajotran’olon-dratsy ity. Raha ny tombana mantsy, dia manodidina ny 250 ny olona izay voasoloky ary izany dia nahazoana efatra ka hatramin’ny dimy tapitrisa ariary isan’olona. Omaly no niakatra fampanoavana ny raharaha ka olona dimy no nohenoin’ny mpitsara. Nisy vehivavy roa tamin’ireo. Efa hariva vao vita ny fihainoan’ny mpitsara mpanao famotorana ary fantatra fa lehilahy iray no nidoboka am-ponja tamin’ity raharaha ity. Vao tsy ela akory izay no nampodiana ireo olona avy any Koweït rehefa niharan’ny trafikan’olombelona sy ny tsy fanajana ny zon’olombelona; izay niseho tamin’ny endrika maro. Efa norarana ihany koa ny fandefasana olona any ivelany ary efa ela aza no nisy didin-dalàna mifandraika amin’izany mba hiadiana amin’ny fanondranana olona. Izao indray anefa dia mbola betsaka ny mitady hevitra ny hitsoaka ny firenena ary mandrevy ny hipetraka any ivelany sy hahazo asa. Mahazo vahana ny mpisoloky izay mahafantatra tsara izany revirevin’ny olona izany. Porofo iray amin’izany ity tranga ity.

D.R

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.