Maevatanàna : Vehivavy bevohoka nalain’ny dahalo an-keriny, 12 tapitrisa Ariary no tambiny

Jacaranda

Raha ny fantatra, dia isany manana omby betsaka eo an-tanàna ny fianakavian’ity vehivavy nalaina an-keriny ity. Taorian’ny fitakiana vola 12 tapitrisa Ariary, raha ny loharanom-baovao voaray, dia navosotry ny roa lahy nitazona an-keriny azy, afak’omaly alina tokony ho tamin’ny folo ora, tsy lavitra ny tanànan’i Tsimandaingo, any  amin’ny Fokontany Tanimbaritsara Sud, Kaominina ambanivohitry Mahazomà, Distrikan’i Maevatanàna ilay ramatoa manodidina ny 30 taona izay bevohoka be efa miandry andro ho teraka, nalain’ny dahalo an-keriny tao an-tranony, nandritra ny fanafihana nitranga tao  Tanimbaritsara Sud, ny alin’ny talata teo tokony ho tamin’ny valo ora. Rehefa nofotorana lalina ity ramatoa natao takalonaina votsotra ity, dia nitantara ny zava-nanjo sy nihatra taminy, ary nilaza ilay renim-pianakaviana fa olona mpiray an-tanàna aminy ihany izay fantany endrika ny sasany tamin’ireo naka an-keriny azy. Araka ny tati-baovao voaray farany tamin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra, dia mbola eo am-pikarohana fatratra an’ireo olon-dratsy ny mpitandro filaminana.

Eric Manitrisa

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.