Manakara : Tafakatra 6 ireo miaramila namoy ny ainy

Jacaranda

Araka ny vaovao voaray omaly, dia tafakatra enina ireo Miaramila namoy ny ainy ; izay tra-doza teny an-dàlana tamin’ny RN12 tao Mijilo, ny fiaraben’ny BNGRC nitondra miaramila avy namboly hazo tany Analavory, ny 1 mey teo. Niala bisikilety ity fiarabe nitondra miaramila ity, ka nivadika. Raha ny fantatra, valo tamin’ ireo miaramila niharam-boina naratra mafy no nakarina maika aty Antananarivo ka tsaboina ao amin’ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana, raha mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaliben’i Manakara kosa ireo maratra hafa.

Eric Manitrisa

Telma Fibre Vibe

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.