Nitifitra kaomisera tany Ambilobe : Roa lahy nadoboka eny Tsiafahy

Jacaranda

Tanaty taxi-brousse handeha hitsoaka aty an-drenivohitra no voasambotra ny roa lahy, tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana mamaivay tany amin’iny distrikan’Ambilobe iny, izay naharatrana kaomisera iray. Araka ny fampitam-baovao azo dia gadra tokony mbola hamita sazy hatramin’ny 2020 ny iray tamin’izy ireo. Raha ny zava-nitranga : ny tapaky ny volana aprily lasa teo, tao amin’ny fokontanin’Anoron’ala, Ambilobe, tokony ho tamin’ny valo ora alina teo, dia tokantrano maromaro no niharan’ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana. Namonjy avy hatrany ny pôlisy tao an-toerana notarihan’ny lehiben’ny kaomisaria. Raikitra ny fifampitifirana. Naratra voatifitra vokat’izany ity farany, ary tafatsoaka ireo olon-dratsy. Nanomboka teo ny fikarohana azy ireo. Nisy araka izany ny fisavàna natao teny amin’ireo lalam-pirenena. Teo Maevatanana no nisy roa lahy nampiahiahy nosamborina tanaty taxibrousse, ary nentina avy hatrany taty an-drenivohitra. Nasaina nohamarinin’ireo niharam-boina izy ireo ka voamarina tokoa fa isan’ireo nandray anjara tamin’ireo fanafihana izy roa lahy ireto. Tamin’ny famotorana azy ireto dia fantatra ihany koa « efa mpamerin-keloka izy ireo satria ny iray dia efa nifonja nanomboka tamin’ny taona 2015 ary mbola tokony hamita sazy hatramin’ny volana febroary 2020 ». Nadoboka avy hatrany any Tsiafahy moa izy ireo taorian’ny nanolorana azy teny amin’ny Fampanoavana omaly. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo namany hafa.

m.L

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.