Anatihazo Isotry : Mpanendaka telo azo sambo-belona, iray maty voatifitra

Jacaranda

Tsy nanaiky mora ny hosamborina ity tovolahy iray 17 taona, mpanendaka malaza ratsy eny amin’iny faritra Andavamba sy Anatihazo Isotry iny. Efa nampitandrina fa mbola nanohy nitsoaka hatrany. Hany ka tsy maintsy nitifitra izy ireo ka maty teo no ho eo ity farany. Nisy namany hafa kosa azo sambo-belona.

Fantatra, fa efa teo amin’ny roa herinandro teo izay no nisy hetsika manokana nataon’ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena hanenjehana sy hanjonoana ireo mpanendaka sy mpanao sinto-mahery mampikaikaika ny mponina eny amin’ireo faritra mafana eto Andrenivohitra. Omaly maraina, taitra tamin’ny feom-basy vao maraina ireo mponina teny amin’iny faritra Anatihazo Isotry iny. Polisy sy mpanendaka maromaro no nifanenjika. Araka ny fantatra, dia teo am-panaovana ny asa ratsiny vao maraina teny akaikin’ny Cenam Andavamamba izy ireo no tra-tehak’ireo pôlisy tsy nanao fanamiana efa niandry fotsiny azy ireto teny an-toerana. Vao nahatazana ireo mpitandro filaminana anefa izy ireo, dia vaky nandositra nihazo an’Anatihazo iny ary tany vao tratra ny telo tamin’ireto olon-dratsy. « Ny iray kosa izay tsy nanaiky ny hosamborina fa niridana mafy nitsoaka na dia efa nampijanonin’ny polisy aza dia voatifitra ka maty teo no ho eo » hoy ny fampitam-baovao. Naterina avy hatrany tany amin’ny tranom-paty moa ity tovolahy voatifitra ity, ireo namany telo lahy kosa dia natolotra ny Fampanoavana, omaly. Tsiahivina, fa ny sabotsy lasa teo ihany koa dia efa nahitam-bokany ity hetsika manokana nataon’ny pôlisy ity ,teny amin’ny faritra 67ha iny indray.

m.L

Blueline Air Fiber

Share This Post

One Comment - Write a Comment

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.