Atsimondrano : Kandidà vavy nisy nitory noho ny fisolokiana amina miliara

Nisy nitory eny amin’ny zandary misahana ny raharaha heloka bevava izy noho ny raharaha fisolokiana ; izay mitentina maherin’ny iray miliara ariary. Angatahin’ny mpitory koa ny tsy fahazoany mivoaka ny sisin-tany malagasy ‘ndrao hitsoaka izy ato ho ato. Tsy iza izany, fa vehivavy iray  isan’ny kandidà ho solombavambahoaka eny amin’ny distrikan’Antananarivo-Atsimondrano, ary isan’ireo manao fampielezan-kevitra ankehitriny. Manana orinasa izay misahana ny fivarotana sy fividianana tany izy. Nisy orinasa iray hafa izay nampiandraikitra azy fividianana tany lehibe etsy Andranoambo-Ambohimanarina. Raha adika tsotsotra, dia io orinasa io no namatsy vola ny orinasan-dramatoa amin’ny fividianana ny tany ,saingy kosa misy fifanarahana mazava momba izany, satria mbola hamidy ny tany. Isan’ny voafaritra ao fa ny vola rehetra izay miasa sy ilaina amin’ny fahazoana ny tany, dia omena an-dramatoa avokoa. Naloa tokoa izany ka nisy ny vola izay nisy ny ampahany natao seky ary nisy koa ny vola mivaingana. Ny totalin’izany dia maherin’ny iray miliara ariary ary  ny tany hovidiana dia teny Andranoambo-Ambohimanarina. Efa tamin’ny oktobra 2016 no natao ny fifanarahana ary isan’ny voafaritra mazava tao, fa tsy tompon’ny tany ny orinasan-dramatoa fa miandraikitra kosa ny fahazoana ny « titre foncier » sy ny fivarotana ny tany amin’ny antsinjarany (parcelles) avy eo. Araky ny efa voalaza, dia omena ny vola izay ilainy izy amin’ny fikarakarana rehetra. Efa tafiakatra maherin’ny iray miliara ariary ny totalin’ny vola niasa tao anatin’izany ary nisy taratasy fanamarinana avokoa. Isan’ny voasoritra ao anatin’ny fifanarahana ny hoe ao anatin’ny telo volana raha betsaka indrindra, dia efa mivoaka ny taratasin’ny tany izay manomboka eo dia misoratra amin’ilay orinasa mpamatsy vola ny orinasan-dramatoa, momba io tany etsy Andranoambo io. Nandeha anefa ny fotoana ary taona taty aoriana dia tsikaritry ny orinasa, fa tsy nandeha tamin’ny laoniny izany : taratasin-tany efatra monja amin’ny 50 mahery izay nandrasana no voasoratra ary tsy vitan’izay, fa ny taratasin-tany maro dia tsy tamin’ny anaran’ilay orinasa namatsy vola no nosoratana fa  tamin’olon-kafa. Mandeha ny fitoriana ankehitriny noho izay fisolokiana avo lenta izay. Noho ny vola izay mihoatry ny 80 tapitrisa ariary no voakasiky ny raharaha, dia efa azo sokajiana ho heloka bevava ara-ekonomika izany ary anton’ny nametrahan’ny mpitory ny fitarainany eny anivon’ny sampan’ny zandary misahana ny heloka bevava etsy Fiadanana. Hatreto izany, dia tsy mbola nisy fifidiana ohatr’ity teto amin’ny firenena. Ao avokoa ny mpaka an-keriny, ny mpisoloky tany, ny mafia amin’ny hazo sarobidy sy ireo izay manana dosie maloto rehetra. Ary dia tena afaka milatsaka soa aman-tsara avokoa…

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

3 Commentaires - Ecrire un commentaire

  1. « Hatr eto izany dia tsy Mbola nisy fifidianana hoatry ity teto @ firenena…..Afaka milatsaka soa aman-tsara avokoa…. »
    Efa mba nametraka fanontaniana momba io teto ihany fa toa « silence radio « foana hatr@izao.
    Averina eto foana io resaka io nefa tsy ita Izay marina fa ohatran’ny mandrangitra fotsiny.
    Miombon-kevitra tanteraka @Brandon ny @ tokony ilazana ny anaran’ireo rehetra manao heloka be cava.
    Tsy ny mpamono olona sy ny mpanolana ihany no tanisaina ny anarany,fa rehefa manao heloka be vava dia mitovy daholo.Azo lazaina fa vao mainka mila « transparence « be kokoa aza ny @ireo candidats @legislatives ireo satria fiainam-bahoaka no hiandraiketan’ireo,fa tsy ny fiainany manokana na ny fiainam-pianakaviany.

  2. … tsy loa-body.
    Azafady

  3. Miangavy ny mpanao gazety mba tsy hanao teny loa-body e !
    Mba lazao ny anaran’io vehivavy io fa hanampy ny olona izany eo amin’ny fitandroana ny tany tan-dalàna.
    Ny filazana izany manko dia tsy midika fa meloka ilay olona : i Voahangy ve io sa i Tahina sa i Ando sa i Nanah sa i Nofy Lalaina ?
    Misaotra tompoko.

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.