ENSOA : Kolonely Ratsarahevitra Andriamisetra no hitantana ny sekoly

Jacaranda

Tontosa ny alakamisy 23 may 2019 teo ny famindram-pahefana teo amin’ny Jeneraly Rabotovao Emile, kaomandy teo eloha, sy ny Kolonely Ratsarahevitra Andriamisetra, kaomady vovaon’ny ENSOA na Sekolim-pirenen’ny manamboninahitra lefitry ny tafika. Marihina fa ity sekoly ity no sekoly tokana mpanofana ho manamboninahitra lefitra eo anivon’ny tafika malagasy. Mitondra aim-baovaoa ho an’ny fitantanana hatrany ny fifandimbiasan-toerana toy izao, hoy ny Jeneraly Rakotonirina Théophile, lehiben’ny Etamazaoro Jeneralin’ny tafika Malagasy, nanatrika sy nanome voninahitra ny ny lanonana. Ankoatra izay, hanamafy ny fiovana nentin’ny kaomady teo aloha ny mpitanana vaovao amin’ ny fanatsarana sy fanitsiana  bebe kokoa ny fampiofanana. Mila manamboninahitra lefitra matanjaka sy mahavaly ny iraka ampanaovina azy ny firenena. Izany no atao mba hananan’ny firenena antoka ho amin’ny fandriampahalemana. Marihina fa ny kolonely Ratsarahevitra Andriamisetra dia  nivoaka tao amin’ny andiany faha-22 tao amin’ny Sekoly manamboninahitra na ACMIL.

Andry N.

Share This Post

One Comment - Write a Comment

  1. Mbola ilaina foana ve ity ACMIL ity e? Miaramila mameno tanana, tsy manao la guerre tolorana galonam-borintsiloza ireo mbola ampiana hafa koa. Alefaso manenjika daholo sy mandamina tanana ireo amperin’asa dia hidio io sekoly io fa mandany vola ny mpandoha hetra fotsiny.

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.