Nosy-Varika : Ady tany, tovovavy mpampianatra notondrahan’ny zanak’olomboafidy asidra

Jacaranda

Taorian’ny fikasana hamono sy fanondrahana asidra ny mason’ i Vololoniaina Nomenjanahary Judianah, mpampianatra ao amin’ny EPP Mandanivatsy, ZAP Nosy-Varika, niseho tao an-tranony, ny 11 aprily lasa teo, izay nataona vehivavy roa zanak’olomboafidy ao Nosy-Varika, Rehefa nivoaka ny hopitaliben’i Mananjary nitsaboana azy i Judianah, ary voaporofon’ny dokotera mpitsabo maso, fa simba tanteraka lasa jamba tsy mahita intsony ny maso havian’ity mpanabe vao 22 taona monja ity, dia nametraka fitoriana teny amin’ny mpitandro filaminana ny niharam-boina sy ny reniny, ny 16 aprily lasa teo. Taorian’izay ihany koa anefa, dia nametraka fitoriana ireto zanak’olom-boafidy izay mpiofana ho « infirmière » ny iray, nilaza fa naratra voa mafy koa izy ireo fa notatahan’i Judianah tamin’ny « lame ». Ny 2 mey teo no niakatra Fampanaovana tao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Mananjary ity raharaha disadisam-piarahamonina (adim-behivavy) ity, ka afak’omaly no nivoaka  ny didim-pitsarana. Nahazo sazy mihantona 5 taona sy mandoa onitra iray tapitrisa ariary ireo zanak’olomboafidy, ary mandoa onitra roa hetsy ariary kosa ilay mpampianatra voatondraka asidra. Raha ny vaovao voaray, dia resaka ady tany momba ny toeram-ponenana efa hatry ny elabe eo amin’ny ray aman-drenin’ireto tovovavy no fototry ny olana. Tsy nionona tamin’ny raharaham-pihavanana natao anefa ireto roa vavy zanak’olomboafidy, fa niditra an-keriny tao an-tranon’ity mpanabe ity, ary nila ady, ka rehefa nanda mafy tsy nanaiky hisotro ny ranon’asidra nentin’ireto zanaka olom-boafidy ilay mpampianatra, dia natondrak’izy ireo teny amin’ny tarehiny izany, ka voa mafy teo amin’ny masony i Judianah.

Eric Manitrisa

Telma Fibre Vibe

Share This Post

2 Comments - Write a Comment

  1. refa misy lalana mivoaka dia izay no fitsarana ho antsika angamba. aza mba voa fotsiny.

  2. · Edit

    Tsy ohatrany hafahafa ihany ve izany didy avoakany mpitsara izany e ?
    Tena aminy rariny ve izany,ilay iray tsy hahita mandrakizay ny masony hoentiny mandramaty dia mbola didy mihantona ve sahaza an’izany no efa nisy fikasana hamono mihitsy tao,
    Asa samia ho tsarany nataony tsirairay e

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.