« Autocollant de presse » : Misokatra ny fanoratana anarana

Efa manomboka ny fanontàna ny kisary famantarana manokana izay hapetaka amin’ny fiara na moto ampiasain’ny mpanao gazety amin’ny fanatontosana ny asany. Avy amin’ny alàlan’ny fandefasana mailaka amin’ny adiresy sticker.ojm@gmail.com no hanatontosana an’izany. Alefa amin’io izany ny fangatahana dia misy valiny izay fenoina avy eo ary dia manomboka eo amin’izay ny toromarika rehetra hahazoana ny « autocollant de presse ». Afaka manao fangatahana izay alefa amin’io adiresy io ny orinasan-gazety sy ny mpanao gazety. Tsiahivina fa mba hiadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana no antony nanaovan’ny OJM ity kisary famantarana ity ary efa nisy ny fifanaraham-piarahamiasa natao tamin’ny mpitandro ny filaminana momba izany.

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.