Tsimenatsy Toliara : Kara-pifidianana matoatoa 70 isa, notazomin’ny Sefo Fokontany

Jacaranda

Na dia nizotra am-pilaminana tamin’ny ankapobeny ny fifidianana Solombavambahoaka tao Toliara I, ary navitrika tonga nanefa ny adidiny ny olom-pirenena voasoratra anarana tao anaty lisi-pifidianana, dia maro ireo tsy fehetezana hita, omaly. Tao amin’ny Fokontany Tsimenatsy, dia kara-pifidianana matoatoa 70 isa no notazomin’ny Sefo Fokontany, omaly nisandratr’andro, satria olona tsy monina ao anatin’ny Fokontany iadidiany no tompon’ireo kara-pifidianana ireo, raha ny nambaran’ity olom-boatendry ity, nitafa tamin’ny mpanao gazety.  Fa tranga nahavalalanina ny maro kosa no niseho tao amin’ny biraom-pandatsaham-bato Tanambao II, ao amin’ny « lycée Laurent Botokeky », fa nirehitra niledaleda ny kaonteran-jiron’ny Jirama tao amin’ity « bureau de vote » ity, tokony tamin’ny 7 ora sy sasany naraina, ka nampisavoritaka ny olona tonga hifidy tao. Soa ihany anefa fa tonga ara-potoana ireo mpamonjy voina, ka nalaky voafehy ny fitaran’ny afo.

Eric Manitrisa

Share This Post

One Comment - Write a Comment

  1. Na miezaka fatratra aza ny CENI sy ny fanjakana foibe @ fanadiovana ny fikirakirana ny zotram-pifidianana Solombavam-bahoaka eto amintsika dia mbola misy ihany ireo mpanao politika tia fahefana efa mahafantatra fa tsy mamim-bahoaka intsony dia mampiasa izao hafetsena ratsy rehetra izao mba handrombahana fahefana hiarovana ny tombotsoa manokana hatrany

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.