Ifanadiana : Trano 150 tafo nodoran’ny dahalo tao Marofotsy

Jacaranda

Nitrangana fanafihan-dahalo nahery vaika indray, tany amin’ny Kaominina ambanivohitra Ambohimiera, Distrikan’ Ifanadiana, ny harivan’ny 3 jona teo, ka trano  150 tafo no may kila forehitra nodoran’ny dahalo tao Marofotsy. Raha ny vaovao voaray, dia trano 19 sisa tavela tsy hotohoton’ny afo tao amin’ity tanàna ity. Raha tsiahivina, ny 27 mey lasa teo, notafihan’ny dahalo ity Fokontany ity. Noho ny fanafihan-dahalo in-droa niantoana, dia nitsoaka nandositra ny tanàna ny mponina ao Andemaka Nord, ka lasa tanàna haolo  ankehitriny. Mikatona tanteraka ny sekoly, tsy misy mpianatra mianatra nefa ny  Cepe efa akaiky. Raha ny nambaran’ny mpitondra fivavahana iray miasa ao Ambohimiera, nampita ny vaovao, fa efa roa taona izay no tsy milamina ny ao amin’ity Kaominina sisin-tany manasaraka amin’ny Distrikan’ Ambohimasoa ity. Manoloana ny firongatry ny asan-dahalo toa tsy misy fanafana, dia mangataka amin’ny tompon’andraikitra mahefa ny vahoaka miaina ao anaty tebiteby lava, mba hanaovana « opération spécial » fampandrian-tany, satria tsy ampy isa ka tsy mahatosika an’ireo dahalo manao andiany an-jatony indray manafika ny mpitandro filaminana misy any an-toerana.

Eric Manitrisa

Blueline Air Fiber

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.