Analavory : Zaza mpiasa an-trano, hita faty tao an-taninkatsaka

Jacaranda

Feno mangana ny vatany ary nisy ratra maro koa. Raha ny fijery ny sary misy ilay razana aza tamin’ny nahitan’olona azy, dia nisy goaka lehibe tany amin’ny maha-vehivavy azy, toy ireny nisy taolana nesorina ireny. Izany habibiana tsy roa aman-tany izany no niseho tany Analavory, tao amin’ny -tanin-katsaka iray ao an-toerana. Zazavavy 12 taona izy io ary miasa an-trano tao amin’ny mpitandro ny filaminana iray; izay efa misotro ronono. Nisaraka ny ray aman-dreniny ary ny reniny no nitazona ny zaza izay nalefany niasa an-trano izany. Raha araka ny hita tao anatin’ny taratasy fitoriana napetraky ny rain-jaza, dia efa ho roa taona latsaka io zaza io no niasa an-trano tao Andranovory. Izany hoe vao folo taona izany, dia efa niasa taman’olona. Any dia efa misy ny tsy fanarahan-dalàna voalohany izay mahakasika ny fampiasana zaza tsy ampy taona. Na ny mpampiasa na ny mpiahy ny zaza, dia efa azo arahina amin’ny lalàna avokoa hatreto. Amin’ity tranga ity anefa, dia mbola ahiana mafy koa ny nisian’ny vono olona. Tamin’ny volana mey teo no hita faty ilay zaza ary izao vao tena mandeha ny fanenjehana ara-pitsarana rehefa nitsangana ny mpiray mponina sasany ka nitondra ny raharaha aty an-dRenivohitra, satria mitady ho vitavita hoazy fotsiny. Isan’ny natonin’izy ireo ny lehiben’ny zandary omaly ary nisy ny fametrahana ny fitoriana teo anivon’ny “bureau des doléances”.  Raha araka ny fitantaran’ny olona izay nanampy ny rain-jaza amin’ny fitoriana, dia nisy ny vola izay nomen’ilay mpampiasa ny zaza mba hampanginana ny mana-manjo. Mitentina roa tapitrisa ariary izany ary dia tena nanapa-kevitra tokoa ny renin-jaza ny nisintona ny tsy nandeha lavitra tamin’ny raharaha. Ny fahafantaran’ny olona an’izany no nandrisika azy ireo ny nanatona ny fikambanana ny mpiaro ny zon’olombelona ary koa ny haino aman-jery, satria amin’izy ireo dia tsy rariny loatra ny zava-nitranga. Marobe arak’izany no indray lasa manara-maso ny fivoaran-javatra.

D.R

Share This Post

One Comment - Write a Comment

  1. Mampalahelo be

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.