« Autocollant de presse » : Alefa amin’ny mailaka ny fangatahana

Jacaranda

Efa manomboka ny fanontana ny kisary famantarana manokana izay hapetaka amin’ny fiara na moto ampiasain’ny mpanao gazety, amin’ny fanatontosana ny asany. Avy amin’ny alàlan’ny fandefasana mailaka amin’ny adiresy sticker.ojm@gmail.com no hanatontosana an’izany. Alefa amin’io izany ny fangatahana, dia misy valiny izay fenoina avy eo ary dia manomboka eo amin’izay ny toromarika rehetra hahazoana ny « autocollant de presse ». Afaka manao fangatahana izay alefa amin’io adiresy io ny orinasan-gazety sy ny mpanao gazety. Tsiahivina, fa mba hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana no antony nanaovan’ny OJM ity kisary famantarana ity, ary efa nisy ny fifanaraham-piaraha-miasa natao tamin’ny mpitandro ny filaminana momba izany

D.R

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.