Ankaraobato : Zazalahy 13 taona, tsy hita popoka nanomboka ny talata teo

Jacaranda

Tato ho ato, dia nirongatra be ny zaza very teto an-drenivohitra. Ary ny mahagaga ny mpanara-baovao maro, dia zaza manodidina ny 12 ka hatramin’ny 14 taona hatrany no matetika tsy hita, ary tovolahy avokoa ny ankamaroan’izy ireo. Afak’omaly, zazalahy iray 13 taona, antsoina hoe : Andriamamonjy Fanirisoa Valimbavaka no mbola tsy hita popoka hatramin’izao, ka atao : « ombay mitady » ao amin’ny tambazotran-tserasera « facebook ». Raha ny vaovao voaray, dia niala tao an-trano fonenany tetsy Ankaraobato, Distrikan’ Atsimondrano, ny marain’ny talata teo ity zazalahy ity, izay tsy nanana olana velively tamin’ny fianakaviany. Gaga anefa ny Ray aman-dreniny avy nirava niasa ny hariva tsy nahita an’i valimbavaka tao an-trano, ka nanontany ny  zokiny roa vavy, ary nilaza ireto farany « lasa izy ny maraina ary tsy mbola niverina. » Raha ny fantatra, dia nanao akanjo « blouson carreau beige » sy manga misy « capuchon » ity zaza ity niala ny trano fonenany, ary nanao « short bleu marine » sy kapakapa manga.

Eric Manitrisa

Telma Fibre Vibe

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.