Mpitarika pousse saika nirotaka : Nozaraina sainam-pirenena dia nilamina aloha

Vao maraina dia efa tapaka ny làlana tetsy Anosibe, omaly. Nitokona ny mpitarika sarety noho ny tsy fankatoavan’izy ireo ny fandaminana izay navoaka mahakasika ny asan’izy ireo. Izany hoe tsy nety tamin’ireo mpitarika sarety sy izay miasa amin’ity fitaovam-pitaterana entana ity ny naoty navoakan’ny prefektiora ; izay nampihena ny fotoana hahafahan’izy ireo miasa. Omaly ary dia tapaka ny làlana ary tsy nisy fampandrenesana akory. Tsemboka indray ny mpamily fiarakodia satria nanakorontana ny andavanandron’izy ireo izany. Indrindra koa ny ankamaroan’ireo izay mampiasa ny lalam-pirenena voalohany, dia mandalo amin’Anosibe izay isan’andro, indrindra amin’ny lera fidiran’ny mpiasa sy ny mpianatra, dia efa mampiteny ny moana ny fitohanana. Dia mbola nampian’ny fahatapahan-dàlana indray izany. Niditra an-tsehatra ny polisy rehefa naheno ny zava-nitranga. Mba tsy nisy anefa ny fampiasan-kery na dia efa nifampiandriandry aza ny roa tonta tany am-boalohany. Nizotra tamin’ny fifampiresahana ary nandeha tamin’ny fampatsiahivana ireo mpitarika sarety ny nitondran’ny polisy ny baolina. Noresena lahatra izy ireo, fa tsy mandrara akory ny asan’ny mpanao sarety ny fepetra izay noraisina fa fandaminana mba hampizotra bebe kokoa ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra kosa ; izay efa tena sempotra tanteraka. Nampatsiahivina ireo olona arak’izany ny lera hahafahan’izy ireo miasa. Teo dia efa nanomboka miramiran’endrika ireo mpitarika sarety izay raha ny marina izany dia nieritreritra ny sasany tamin’izy ireo fa fandrarana ny asany no miseho. Nizotra araky ny tokony ho izy ny fifampiresahana ary niafara tamin’ny fizaran’ny polisy sainam-pirenena ho an’ireo mpitokona aza izany. Dia nilamina tanteraka tsy nisy rahoraho rehefa vita izay rehetra izay. Teo amin’ny adiny roa teo no tapaka ny làlana ary naharitra ihany koa ny fifandresen-dahatra avy amin’ny fifampiresahana. Tany Frantsa dia tamin’ny taona 1959 no nanomboka tsy azo nampiasaina intsony ny sarety rehefa nisy ny lalàna mandrara izany ary mifandraika amin’ny fitomboan’ny tanàna sy ny fandrindrana ny fifamoivoizana. Aty amintsika, efa 2019 dia mbola ady goavana aloha ny hampijanonaa izany. Na any anaty tambajotra sosialy aza dia tsy mety mitovy mihitsy ny hevitry ny olona mahakasika ny fampijanonana ny sarety. Mila fifandresen-dahatra tsara aloha raha izany ary misy fepetra iaraha-manaiky izay vao mety tsy hiverimberina intsony ny fandraisana fanapahan-kevitra. Tsy vao izao tokoa mantsy no niseho ity olana ity, satria ny fitondrana izay nifandimby dia samy namoaka lalàna mandrara avokoa, saingy eo amin’ny fanatanterahana dia na mivadika ho korontana na misy tora-po izay manetsika ny sasany. Dia tsy nety tontosa hatrany…

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

4 Commentaires - Ecrire un commentaire

  1. Satria sehatra ifampitaizana ny resaka eto dia mba manao fanitsiana ny teny Malagasy: « Nizarana » sainam-pirenena (ny mpitarika posy) fa tsy hoe « nozaraina » sainam-pirenena (ny mpitarika posy). Nozaraina tamin’ny mpitarika posy ny sainam-pirenena.

  2. Isika angaha moa tsy tara foana @ lafny rehetra, hatramin’ny toe-tsaina aza. Mbola tena ho ela vao handroso.

  3. · Edit

    « Dura lex sed lex »;mbola vitsy no mahafantatra io.Deraina manokana ny fandresen-dahatra nataon’ny Polisy.Ny lalàna dia natao hoany rehetra,marina izany,nefa tsara aloha raha hazavaina,dia milamina ny rehetra.1/Prévention 2/Répression(fampiharana)…

  4. Izao ilay atao hoe :  » réaction du pauvre « . Tsy misy mihitsy eto toe-tsaina manaraka fifampifehezana, fa dia mivoaka foana ny fitiavan-tena sy ny toe-tsaina tia kely ary ny resaka matin-kena-maso.
    Tsy handroso mihitsy isika raha izao. Izay rehetra milaza azy ho » madinika  » dia mihevitra fa afaka manao izay rehetra tiany atao, satria koa natao fitaovana nandritra ny propagande. Mampalahelo !

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.