Sainte-Marie : Fiangonana nisy namaky, lasan’ny olon-dratsy ny fanamafisam-peo rehetra

Jacaranda

Ny alin’ny asabotsy hifoha ny alahady teo, dia nisy namaky ny fiangonana katolika ao Sainte-Marie, ka lasan’ny olon-dratsy tamin’izany ny fanamafisam-peo rehetra, toy ny « Baffle », « Table mixeur », « Ampli », . . . Tsy vitan’izay fa mbola naparitak’ireo tsy mataho-tody eraky ny trano ny Ostie (mofo masina vatan’ny Kristy). Raha ny vaovao voaray, dia fanindroany ity Eglizy voalohany teto Madagasikara ity no nisy namaky, ka tamin’ny voalohany dia lakolosy no nalain’ireo jiolahy. Hatreto, araka ny tati-baovao azo hatrany, dia mbola tsy misy olona tratra na voarohirohy tamin’izao fandrobana sy fametavetana tranon’ Andriamanitra izao. Raha ny fantatra, dia mitohy hatrany ny fikarohan’ny mpitandro filaminana an’ireo mpanao ratsy.

Eric Manitrisa

Telma Fibre Vibe

Share This Post

2 Comments - Write a Comment

  1. Vao iray volana lasa aho no tany dia nanamafy ny olona nifanerasera tamiko tany fa raha misy halatra toy izao mitranga izao ao sainte marie dia mihidy sy voahara-maso ny port sy ny aéroport. Toa tsy mitombona ny voalazan-dranamana raha izao trangan-zavatra izao.

  2. Mba kely ihany Sté Marie fa dia mahagaga ny tsy hatrana ny mpanao ratsy ao.Any @ renivohitra aza maro ihany no Tratry.Mahagaga…..

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.