Mpivady voaendaka teny Namontana :Voadaroka ilay rangahy, voaolana ilay ramatoa nitondra vohoka

Jacaranda
Ny iray tamin’ireo mpanolana, voasambotry ny pôlisy. (sary nomena)

Tsy valahara ! Mpivady  sendra tratra alina no nifanehitra tamina mpanendaka telo lahy. Nampiharan’ireo olon-dratsy herisetra sy habibiana izy ireo tamin’izay : rangahy voadaroka, ramatoa voaolana.

Ny tapatapaky ny volana jona lasa teo no nitranga ity herisetra nihatra tamina mpivady teny Namontana ity. Araka ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny pôlisim-pirenena, dia an-dàlana hody teny Namontana izy ireo. Nandeha tongotra. Ny famantaran’ora efa nanondro tamin’ny valo ora sy sasany alina. Ny andro alahady, mangina dia mangina ny làlana. Tamin’izay indrindra no nisy bandy telo lahy nivoaka avy tany anaty elanelan-trano tany, nanomboka nanaraka ireto mpivady ireto. Nanatona avy hatrany izy ireo, nony niditra toerana somary maizina sy takona ary nanakana ny dian’ireo olon-droa. Tsy nisy alaharo teo, fa daroka faran’izay henjana avy hatrany no niantefa teny amin’ilay rangahy, izay tsy afa-nanohitra akory. Tsy nahatsiaro tena ity farany vokatr’izay ary natsipin’ireo tsy valahara tany anaty tatatra. Nobedain’izy ireo kosa ramatoa vadiny, izay raha ny fantatra dia mitondra vohoka roa volana. Nentiny tamina toerana iray tsy lavitra teo, ary nampiharan’izy ireo ny filan-dratsiny. Nifandimby tamin’ity ramatoa ity avokoa izy telo lahy. Efa tany ho any amin’ny roa ora maraina tany  vao navotsotr’izy ireo ilay renim-pianakaviana, rehefa afa-po tanteraka tamin’ny nataony ireo olon-dratsy. Nametraka fitarainana avy hatrany teny anivon’ny pôlisin’ny SUT moa ireo mpivady ny ampitson’io ary nanomboka teo ny fanadihadiana sy fikarohana ireo tsy mataho-tody. Raha ny voalaza tamin’izay, dia tadidin’ilay ramatoa avokoa ny endrik’izy telo lahy, noho ireto farany tsy nanao saron-tava tamin’io fotoana io. Fantatra teo araka izany ireto mpanendaka mpanolana ireto ary nidina avy hatrany teny amin’ny trano fonenany, saingy efa tsy nisy tao intsony izy ireo. Ny alahady teo no nahazo vaovao avy tamin’olona tsara sitrapo ny pôlisy fa mampiady akoho eny Anosizato ireo olona karohina. Nanao bemidina teny an-toerana ireo mpitandro filaminana. Saingy ny iray ihany no tratra teo, raha tafaporitsaka ireo rahalahiny roa. Mbola mitohy moa ny fikarohana ireto farany. Miatrika ny fakàna am-bavany azy kosa ilay voasambotra, izay notanana natao andrimaso eny amin’ny biraon’ny pôlisy. Raha tsy misy ny fiovana dia hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela.

m.L

Blueline Air Fiber

Share This Post

6 Comments - Write a Comment

  1. raha ny rariny sy ny hintsiny tokony tsy hisy ny onotra sy fidiana antranomaizina aminy ftoana maharitra oan izay navanon-doza !! ra tsy mis ny kolikoly ,mizaka ny sazy sahaza azy ny panao ratsy !! ary hiverina ny fitokisan vahoaka ny fitsarana sy ny pitandron’ny filaminana

  2. Ny ahy ny hevitro dia :  » réclusion criminelle à perpétuité  » no mendrika ny olona tahaka an’ireo.
    Tsy misy travaux forcés mivoaka ny cellule.
    Fa ilay resaka  » au poteau  » koa anefa dia ankasitrahako ihany koa. Sady mbola ao anaty Code pénal tsara mihitsy. Azo atao manko ny misintaka amin’ny fifanarahana iraisam-pirenena nosoniavina rehefa tsy mety amin’ny Firenena intsony iay izy.

  3. Ary raha ery am-panaovvana ny travaux forcés en y indray izy no manao ny asa ratsiny?
    Ny ao anaty fonja aza tafatsaoka.
    Tsy ratsy akory ilay hevitra fa ny fampiharana azy no mety hanahirana. Coucou

  4. Ary raha ery am-panaovvana ny travaux forcés en y indray izy no manao ny asa ratsiny?
    Ny ao anaty fonja aza tafatsaoka.
    Tsy ratsy akory ilay hevitra fa ny fampiharana azy no mety hanahirana.

  5. Ary raha ery am-panaovvana ny travaux forcés en y indray izy no manao ny asa rats iny?
    Ny ao anay fonja aza tafatsaoka.
    Tsy ratsy akor ilay hevitra fa ny fampiharana azy no mety hanahirana.

  6. Ny olona toy itony dia tokony gadraina, de ampiana TRAVAUX Forcés ohatra manadio làlana, manala sachet rehetra anaty lakandrano sns…amin’izay mba honerany amin’ny fanasoavana ny mpiara-belona aminy ny zava-doza nataony t@olona.Raha mandà tsy hanao izy, dia ampitomboana ny hamafin’ny saziny, raha mbola mandà ihany anefa dia ALEO ATAO AU POTEAU : à fusiller satria tsy vitan’ny hoe tsisy ilàna azy intsony fa mampidi-doza @ mpiaramonina ka aleo considéré-na toy ny bibidia masiaka dia neutralisé-na no solution mety aminy

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.