Alasora : Mpamaky trano tratra niaraka tamin’ny môtô

Jacaranda

Jiolahy mpamaky trano rain-dahiny no voasambotry ny zandary sy ny fokonolona raha nikasa hanao ny asa ratsiny teny amin’iny faritra Alasora iny, ny alahady lasa teo. Mbola tratra teny aminy moa ny entana maromaro izay vao avy nangalariny tamin’ny  trano hafa teny amin’iny faritra Ambohimangakely iny, ny andron’io alahady io ihany, toy ny firavaka sarobidy, finday miisa telo, ary vola madinika maromaro. Araka ny fampitam-baovao azo dia sarona nandritry ny fisamborana azy ny môtô nentiny, Yamaha Cygnus, sy ny sakaosy misy fitaovana maromaro fitondra mamaky trano, toy ny barre à mine. Tsy vitan’ireo moa fa mbola nisy fitaom-piadiana maromaro ihany koa tra-tehaka teny amin’ity lehilahy ity, 24 taona ity : antsibe, « poignard », fleche à bille ary balana PA calibre 7,65mm. Marihana fa nisy namany niaraka nanao izay asa ratsiny izany saingy tafaporitsaka tamin’ny fotoana nisamborana azy ireo. Omaly ihany moa no natolotra ny Fampanoavana ity jiolahy rain-dahiny ity.

m.L

Ireo fitaovam-piadiana sarona teny amin’ilay jiolahy mpamaky trano

Share This Post

One Comment - Write a Comment

  1. Ny manahirana ny saiko dia le voasoratra hoe, » » »JIOLAHY RAINDAHINY » »…Izany hoe EFA FANTATRY NY REHETRA IZANY FA MPAMERINKELOKA….Kanefa no izao tamon’ity heloka ity izy vao VOASAMBOTRA????

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.