Fihaonan’ny Barea sy ny ekipa toniziana : Polisy 1350 no hitandro ny filaminana eto Antananarivo

Jacaranda

Mba hisorohana ny fihoaram-pefy  mety hitranga  mandritra ny fihaonan’ny Barea sy ny ekipam-prenena  toniziana anio alakamisy any Egypta dia polisy 1350 no hahetsika mba hitandro ny filaminana eto Antananarivo-Rénivohitra sy ny manodidina. Nisongadina izany nandritra ny fanambarana nataon’ny tale jeneralin’ny Polisim-pirenena sy ny talen’ny kabinetran’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka tamin’ny mpanao gazety, omaly. Izany no natao dia mba hialana amin’ny toy izay niseho tamin’ny alahady alina teo, izay nahitana fihetsika nanembatsembana ny fifamoivoizana na dia tsy dia nahitana fanimban-javatra na korontana goavana aza. Hiatrana am-bava-basy, na « consigniés »  avokoa ireo polisy eto an-drenivohitra anio alakamisy. Nohararaotin’ny tale jeneralin’ny Polisim-pirenena ihany koa ny andro omaly mba hilazana fa efa eo am-pikarakarana ny fandoavana ny tambin-karama ho an’ireo polisy niasa nandritra iny fetin’ny 26 jona iny. Efa azo ny vola hanaovana izany izay voalaza fa 10 000 alina isam-batan’olona, hoy izy.

T.M.

Telma Fibre Vibe

Share This Post

2 Comments - Write a Comment

  1. omena lanja ny filaminam-bahoaka mba hisian fiara monina mandroso !!

  2. 10000 Ar angamba izany fa tsy 10000 Alina sao miteraka korontana eo anivon’ny mpitandro filaminana fa tokony hojerena tsara ny lahatsoratra sao misy diso alohan’ny hamoahana azy.

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.