Maevantanana : Tale nitifitra nosamborin’ny zandary

Jacaranda

Maty tsy tsa-drano ilay olona notifiriny. Tsy vitan’izany fa mbola olo-be ao an-tanàna koa, tangalamena. Ny antoandron’ny talata teo, nandritra ny asa fisafoana nataon’ny talem-paritra iray eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana no nitranga ilay olana niafara tamin’ny fahafatesana. Tao amin’ny fokontany antsoina hoe Marokoloy, 60 kilaometatra miala an’i Maevatanàna no nanao asa fisafoana ilay tompon’andraikitra sy ny ekipany. Mahakasika ny fitrandrahana ala tsy ara-dalàna izany ary indrindra ho an’ireo mpikapa ala mba hanaovana arina fandrehitra na koa saribao. Teo no nisy ny fifampiresahany tamin’ilay tangalamena tao an-tanàna izay sady voakasiky ny raharaha. Fifampiresahana niafara tamin’ny fifamaliana teo amin’ny roa tonta. Nisy ny famoahana basy avy amin’ilay talem-paritra ary tsy vitan’izay mba nentina nampitahorana izany fa tena nampiasaina. Notifiriny ilay tangalamena ary maty tsy tsa-drano. Vetivety dia niely tao an-tanàna ny vaovao ary nisy avy hatrany koa ny nampandre ny mpitandro ny filaminana. Natao avy hatrany ny fisamborana ny tompon’andraikitra tamin’ity heloka bevava ity. Nentina avy hatrany tany Maevatanàna izy ary nosokafan’ny zandary ny fanadihadiana mahakasika azy. Omaly dia mbola notazomina sy nohenoina tao ity talem-paritry ny tontolo iainana sy ny ala ity. Manana fahazoan-dàlana mitazona basy ve ilay tompon’andraikitra ? Ankoatra izay, azo heverina ve fa ara-dalàna ny fampiasany izany fitaovam-piadiana izany tamin’ny fitifirana ilay olona ? Mihodidina amin’izany mazava loatra ny fanadihadiana.

D.R

Share This Post

2 Comments - Write a Comment

  1. Tsy ekena ny famonoana OLONA tsy nandalo FITSARANA ARADALANA.SA HO LASA FAR WEST MADAGASCAR ,KA IZAY MANAMBASY DIA HANAO. LUKY LUKE DALTON ARY BILLY The KID daholo
    Sa izay indray ny Ady ao fa NANDRESY NY BAREA dia misy sahady ny MIHEVITRA FA AMBONY NU LALANA?

  2. Agent assermenté ireny kanefa tokony ho fantany tsara ny fotoana ahafahany mampiasa ny fitaovana toa itony, izany matetika ny mahavoa ny olona toa itony, tsy ny saina ny azy no ampiasainy fa ny fo ka dia lasa manaonao foana mazana.

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.