67 ha : Nifanenjehan’ny mpivarotena, fa tsy nahaloa vola

Jacaranda

Niara-nirona teny amin’ny kaomisaria etsy amin’ny 67ha ny mpivarotena ary samy nametraka fitoriana niraisana. Izany dia mahakasika ny lehilahy iray izay mpitsoaka ny volan’izy ireo. Tsy vitan’izany aza, fa mbola rahonan-drangahy amin’ny antsy ireo vehivavy izay mpampanofa fahafinaretana ary tereny hiray aminy tsy misy sarany. Hitan’izy ireo tampoka nivezivezy teny Andohatapenaka ny asabotsy tamin’ny folo ora maraina ary dia raikitra avy hatrany ny fandraisana andraikitra nataon’ny mpivarotena. Efa samy manana ny « dosie » mahakasika io lehilahy io avokoa mantsy ny ankamaroan’izay miasa manodidina ny cité des 67hectares sy ny teny Andohatapenaka. Nahita izany koa ny polisy  avy hatrany dia niditra an-tsehatra tamin’ny fisamborana ilay lehilahy voakasiky ny raharaha. Rehefa nentina teny amin’ny kaomisaria dia mpivarotena efatra no nanapakevitry ny nanao fitoriana an-tsoratra azy. Teo koa no nahafantarana, fa mbola hiverenan’ilay lehilahy aza ny tranon’ny mpivarontena sasany ary mangalatra izay zakany ao izy. Rehefa nojirihina indray ny mahakasika ny voarohirohy, dia fantatra fa efa nifonja teny Tsiafahy izy noho ny raharaha hafa. Nentina teny amin’ny fampanoavana omaly ny raharaha ary nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny voakasika. Tsy vao voalohany no nisy ny tranga toy izao. Mbola tadidin’ny maro ny fisian’ilay rangahy izay malagasy mipetraka any Lafrantsa ary rehefa tonga maka sasatra eto dia mampijaly ny mpivarotena no nataony. Ambanany basy ireo mpivarotra fahafinaretana ary nanaovany firaisana hafakely : nampiasainy hazo sy ny fitaovana hafa. Ary izany rehetra izany dia tsy nisy fandoavam-bola na ny kely aza. Ny fikamban’ny mpivarotena teo Tsaralalàna sy Analakely no indray nitory azy tao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany voalohany noho izany fanaony izany ary dia nidoboka vonjimaika teny Antanimora ny voakasika. Indrisy anefa fa vitavita hoazy ny raharaha taty aoriana ary dia efa hita niriaria sy afaka nody soa aman-tsara tany ivelany ilay heverina fa misy aretin-tsaina sy hatahorana ho an’ny mpiara-monina. Raha ny mpivelona amin’ny fizaràna fahafinaretan’ny nofo tokoa mantsy no velon-taraina sy nihorohoro tanteraka toa izany, raha olon-tsotra izany no azony dia asa izay mitranga. Izany hoe olona hatahorana ny toa ireny ary tsy tokony hatao vitavita mora ny fanasaziana…

D.R

Share This Post

3 Comments - Write a Comment

  1. HAHAHAHAHHAHAHAHA !!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!
    Tena efa fiankinan-doha mihitsy ny an’ilay rangahy ity izany. Toy ny mifoka môly ihany io, rehefa tena azony dia manao ny tsy fanao rehetra mba ahitana môly fohana. Ny tena henjana dia efa tena kianjany mihitsy izany ny misy ireo fikambanana eny Tsaralalana sy Analakely ary 67 ha … Izany ve tsy efa ho ama-tapitrisany ny trosa tsy maintsy hefain’ingahy rainy ?

  2. Un type pareil ne peut être qu’un Ralotonirainy.

  3. Fa ireo mpivaro-tena koa ve izany tsy notazomin’ny mpitandro filaminana? Angaha moa tsy voararan’ny lalàna ny fivarotan-tena?

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.