Betroka : Natolotry ny mponina ny mpitandro filaminana ny fitaovam-piadina

Jacaranda

Basy « calibre 22 » miisa roa no nisy nanatitra an-tsitrapo tany amin’ny mpitandro filaminana ny sabotsy lasa teo tao Betroka. Nahomby ny fanentanana nataon’ny mpitandro filaminana ho an’ny mponina momba ny fandriampahalemana. Nanao fanentanana ho amin’izany mantsy ny zandary ny herinandron’ny 17 aogositra lasa teo tao amin’ny kaominina Andriry, distrikan’ny Betroka. Tanàna mafana miisa enina no nisitraka ny fanentanana dia Tsaramiakatra, Bepeha, Antsahabe, Ankoraka, Morafeno ary Amboadelaky. Notsindriana nandritra ny hetsika fa miantoboka amin’ny fifampitokisana ny fampanjakana ny fandriampahalemana. Izany hoe, ny zandary mahatoky ny mponina ary ny mponina koa mahatoky ny zandary. Resy lahatra ny amin’izany ny vahoaka ka izany no natonga azy ireo nanatitra tany amin’ny mpitandro filaminana ny fitaovam-piadina tsy natokana ho azy. Nilaza koa izy ireo fa vonona ny hifanome tanàna amin’ny zandary araka izay vitany ho fanafoanana ny asan-dahalo.  Nanaiky ny hanoro ireo heverina ho olon-drasy eo an-tanàna izy ireo. Efa misy anarana tonga any am-pelatanan’ny zandary ary efa manomboka ny fanadihadihana. Nankasitraka ny hetsiky ny zandary sy ny hezaka nataon’ny vahoaka ny dépioté voafidy tao Betroka, Nicolas Randrianasolo. Naneho fisaorana ny lehiben’ny compagnian’ny zandary sy ny vahoaka entiny izy. Nolazainy ihany koa fa vokatr’io fanentanana io dia misy ny foto-drafitr’asa iarahana manorina amin’ny mponina toy ny sekoly sy hôpitaly ary ny lalana.

Voarisoa Davidson

Share This Post

One Comment - Write a Comment

  1. Olona nitana basy antsokotsoka ve izany,sa basy nahazoa’a alalana ary nandoavana droit aradalana,?
    Dia mankaiza ireny basy ireny?
    Araka ny hevitro dia tsy tokony hopetehina ireny basy ireny fa asiana numerô sy ny fiaviany,ka mijanona hotantarampirenena ao amin’ny MUSÉE NY gendarmerie,satria mila vavolombelona ny tantarampirenena ary ny olombelona mety matyny lova-tsofina mety miova.Ka tokony hisy tavela AZO ARAHINA MASO fa ireo ary mbola ireo ny manamarina ny tantara.
    Sady sao dia mody atao potehina ,dia aidin’ny fetsilahy anyhoany.

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.