Antsirabe : Feno 30 taona ny FIFATA

Jacaranda

Nanamarika ny  faha 30 taona  nisiany ny Fifata na Fikambanana Fampivoarana ny Tantsaha. Ny 29 Septambra 1989 no daty  niorenan’ny Fikambanana voalohany ka  teto Vakinankatra sy ny faritra Amoron’Imania no niantombohany izay nahitana mpikambana 400 tamin’izany. Ankehitriny, efa mananika ny 3 hetsy ny mpikambana ao anatin’ny tokatrano tantanam-pianakaviana miasa amina faritra 11, ary ahitana fikambanana 6000 sy vondrom-pikambanana rezionaly 11. Tsy nitsaha nitombo ny mpikambana ka  taty aorina dia nisy ny zotram-pihariana izay miisa 22. Mazava fa ny fampiroboroboana  ny seha-pamokarana eny amin’ny tontolo ambanivohitra no anto-pisian’ny Fifata. Noho izany indrindra no nisian’ny atrikasa maro mahakasika ny seha-pamokarana tantanam-piankaviana  nentina nanamarika izao faha 30 taona nisian’ny Fifata izao. Heferana no faharetan’ny fanamarihana izay nantomboka ny Alatsinainy 9 Septambra  teo ka ny Alorbia no ivon’ny fankalazana izay nametrahana ny tsangam-bato. Vinan’ny Fifata ny hampitombo ny vola miditra ho an’ny tantsaha sy ho matianina eo amin’ny famokara-tantanam-pianakaviana maro ireo tantsaha no  efa matianina ary mahaleo tena ara-tsakafo, manana ny amby ampy sy mampiasa fitaovana vaventy ho enti-mamokatra. Isan’ny tolo-draharaha voalohany  napetraky ny Fifata ny Cecam, ankoatra izay raha ho an’ny eto amin’Antsirabe  manokana dia misy ny Ceffel, famokarana hazo fihinam-boa eny Andranobe. Isan’ny paikady ho enti-mahatratra ny vina ny fanofanana mpitarika eny ambanivohitra antsoina hoe Formation Leader Paysan na FLP sy ny Cap Malagasy teknisiana mpanolo tsaina ireo tantsaha. Ny  eo amin’ny resaka fananan-tany dia ny SIF. Ny FERT, fikambanana ao Frantsa no mpiara miombon’antoka sy manohana ny Fifata hatramin’izay 30 taona nisiany izay.
Andry N.

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.