Fanakatonana trano fandihizana teto Toamasina : Misy olona maromaro miditra ho mpanelanelana amin’ny hanokafana azy

Jacaranda

“Akatony io raha tena mafy be ianao”, izay no tenin’ity teratany frantsay tompon’ny trano fandihizana “Paradise” tamin’ny fotona nandraisan’ny prefet fepetra nanakatona ireo trano fandihizana telo teto Toamasina, ny herinandro nivalona iny. Mihevitra azy  ho manana mpiaro matanjaka angamba ity teratany frantsay ity na ny solontenam-panjakana midina ifotony manao ny asany avy rahonana. Raha ny zava-misy aloha, dia tsy misy sahy manokatra ireo trano fandihizana tsy nanara-dalana ireo ny solontenam-panjakana hafa hatreto fa nanaja ny fanapahana noraisin’ny prefektiora avokoa. Maresaka be ihany koa ny vaovao mikasika ity raharaha ity amin’izao, ka betsaka ireo mpanera mpibizina manao mpanelanelana amin’ity raharaha ity, nefa tsy manaiky hatao sorona ny prefektiora ary mitsinjo ny ho avin’ ny zazavavy sy zazalahy malagasy eto Toamasina tsy ho potiky ny toaka sy zava-mahadomelina ary fivarotan-tena ho an’ny zazavavy na lasa mpanendaka ho an’ny zazalahy. Mila manaja lalàna isika izao, hoy ny prefen’i Toamasina Benandrasana Cyrile, fa tsy entina hanindrina solontenam-panjakana ara-dalana ny maha-olom-pantatry zatsy na zaroa ka manao fampitandremana isan’andro momba io raharaha trano fandihizana nakaton’ny prefektiora io.

Malala Didier

Share This Post

2 Comments - Write a Comment

  1. Io fanelanelanana io dia bizna eto Tamatave, na fantatra zao fa tsy ho tafavoaka de rosoana ihany. Ohatra anankiray no raisiko: @ zao filatsahan-kofidina zay ho ben’ny tanana dia nanambara ny CENI fa tsy mahazo mirotsaka ny olona voatendry PDS’ny commune. Mahagaga mbola sahy misisika mangataka vola etsy sy aroa mangataka vola hiakarana Antananarivo mangataka hanafoana io didy navoakan’ny CENI io.

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.