Ambodivona : Tantsaha hividy vokatra voaendaka

Mpanendaka ny tantsaha

Vao nivoaka ny fonja dia niverina nanendaka indray. Eo amin’iny manodidina an’Ambodivona iny ny toerana tena fanaovany ratsy ary tsy vao voalohany izy no nigadra fa efa imbetsaka raha ny filazan’ny pôlisy. Tamin’ity indray mitoraka ity dia herinandro vitsy taorian’ny nivoahany ny fonja no tratra indray i John, fanampin’anarana ahafantaran’ny mpanao ratsy azy. Mampiasa ody gasy izy ary efa ananan’ny polisy ny mombamomba azy rehetra noho izy efa mpamerin-keloka. Tao anatin’ny fotoana fohy izay nahazoany fahafahana rehefa avy nifonja dia efa marobe sahady ny fitoriana tonga teo anivon’ny mpitandro ny filaminana. Nitovy avokoa ny fanamarihan’ny olona momba ilay nahavanon-doza. Natao ny fidinana an-tsehatra ary nampitomboina ny fisafoana ary teo no nahatratran’ny polisy etsy amin’ny kaomisaria Analamahitsy an’i John. Nidoboka am-ponja indray izany noho ny heloka mitovy ary tsy misy afaka ny hiteny fa tena hiova izy rehefa mivoaka any. Raha ny tsikaritra mantsy dia toa lasa fialan-tsasatra ho an’ny mpanendaka ny fonja ary tsy atahoran’izy ireo intsony.

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Un Commentaire - Ecrire un commentaire

  1. Taloha dia misy asa ataon’ireny olona voafonja ireny ary misy karama voafetra hifanaraka amin’ny fotoana iijanonany ao amponja.
    Rehefa mivoaka izy ireny dia mandray io vola karama io mba hahazoany miaina kely mandrapahitany fivelomana.
    Toizany koa ireo avy nanao Service militaire legal,omena vola hahazoany mihetsika mba hanomanany ny ampitso akaiky.
    Toa misy ny mamerin-keloka haingana dia tsy mankoraisina ny maro,ka manaonao foana.
    Ireo mivoaka ny fonja dia tokony handalo Service de reinsertion social,sy ny fitaizana sosialy mba hijery ny momba azy akaikyfa tsy havoaka fotsiny amin’izao tanampolo sy loha feno valifaty …

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.