Belo sur Tsiribihina : Mamelona olona maro ny fambolena voanjo

Isan’ny fidiram-bolan’ny olona maro ao amin’ny distrikan’ny Belo amoron’ny Tsiribihina ny fambolena voanjo izay ataon’ny mponina ao an-toerana. « Izany aza dia mainka maika koa mampiroboro ny ala ny fambolena voanjo noho ity vokatra ity mitaky rano’orana » raha araka ny nambaran’ny solombavam-bahoaka voafidy tany an-toerana. Notohizany fa ny voly hafa toa ny katsaka no isan’ny manimba ny ala any an-toerana fa tsy ny voly voanjo akory. Tsy mametraka olana eo amin’ny tantsaha sy ny mpanangom-bokatra ny fambolena voanjo sy ny famarotana izany, raha ny fanazavan’ity solombavam-bahoaka ity hatrany.

D .R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.