67 ha : Mpanendaka mody mamo, tsy hita ny mpitory

Omaly no natolotra ny fampanoavana ilay lehilahy izay mody mamo ary manendaka ny olona ao anaty fiara. Indrisy fa tsy hita ny mpitory ary dia nanapa-kevitra ny fampanoavana ny namerina ilay olon-dratsy eny amin’ny biraon’ny polisy aloha mandra-pisian’ny baiko vaovao. Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera ny horonan-tsary mahakasika ity mpanendaka iray ity. Mody mianjera eo am-povoan’ny arabe izy ary eo anoloan’ny fiara izay hataony lasibatra ny olona  ao anatiny. Ny namany hafa dia efa mihainohaino eo amin’ny manodidina ary miandry fotsiny dia misintona lakolosy ary manova ny zava-misy ary manentana ny olona hanao fitsaram-bahoaka. Ao anatin’izay izy ireo no manendaka sy maka izay zavatra rehefa eny amin’ireo olona ao anaty fiara sy ny entana mety ho ao anatin’ny fiara. Tamin’ity indray mitoraka ity, izany hoe afak’omaly, dia nisy nahatsikaritra ny fihetsika hafahafa nataon’ireo jiolahy. Olona tao anatin’ny fiara avy aoriana no nahita izany ary nanao izay ho afany mba niaro ireo olona saika voaendaka. Raha tsy izay dia asa izay nanjo ireo mpivady tao anatin’ny fiara tsy mataho-dàlana izay nataon’ny jiolahy lasibatra. Efa voavahan’izy ireo ny varavarana ary raha tsy nanao fehibiko aroloza ny ramatoa teo amin’ny toeran’ny mpandeha, dia efa voasintona nivoaka. Teo dia efa nanomboka nivazavaza ary saika niditra an-tsehatra ireo mpiray tendro tamin’ilay mpanendaka teo amin’ny manodidina. Fa mba sahy nivoaka tamin’ny fahanginany ny mpamily taoriana izay nahita ary dia tonga hatramin’ny fisamborana ilay olon-dratsy aza. Ny polisy no nanokatra ny fanadihadiana. Tsy hita ny mpitory ary dia naverina eny amin’izy ireo indray ilay olona. Efa ela no nampiaiky ny olona ny momba ireo mpanendaka anaty fiara eny amin’io faritra io. Misy ny manambana basy ary misy koa ny mamoaka sabatra. Izao rehefa voasambotra ny sasany dia averina fotsiny indray, izy anefa dia efa niaiky ny helony ary nilaza fa vao avy nanendaka ny findain’ny mpamily taxi iray teny Ankasina talohan’io.

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

2 Commentaires - Ecrire un commentaire

  1. Fa ilay lal¸ana malagasy ve izany tsy maintsy misy mpitory vao afaka alefa eny @ fitsarana ilay olon-dratsy ? fa ny ministere public angaha tsy afaka manao izany ? Ny polisy nahatratra ny asa ratsiny sy nisambotra azy sy nahatonga azy hiaiky ny helony ve tsy afaka mipetraka ho mpitory ?

    sa io ilay lalàna copier/coller t@ lalana frantsay dia ampiharina betement eto madagasikara ?

  2. Raha fantatra fa ho votsoran’ny fitsàrana ihany, misy sabatra teny amin’ilay olona tratra, inona indray no andrasana ???

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.