Zazalahikely vao teraka mihitsy no nisy nanary tao amin’ny ranon’Ikopa teo Anosizato omaly tokony tamin’ny ray ora tolakandro teo. Araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso dia ankizy nilalao rano teo no nahita ity zaza ity ka nampiakatra azy teo amin’ny sisin-drano teo. Indrisy anefa fa efa maty ilay zaza vao teraka mbola miaraka amin’ny tadim-poitra sy ny ahitra. Nitangorona nijery izany ny be sy ny maro ka olona sendra nangoraka no nanala ny akanjo teny akodiny mba hanaromana ilay tsy manan-tsiny. Tokony tamin’ny dimy ora hariva teo no tonga teny an-toerana ny avy ao amin’ny BMH Isotry ary nanatitra ny razana eny amin’ny HJRA. Nijanona teo amin’ny sisin-drano teo foana arak’izany ny razana nandritra ny adiny efatra teo niandry ny tompon’andraikitra hidina ifotony. Niteraka fihetsem-po lalina ho an’izay rehetra nahita ity tranga ity na dia voalaza ho efa mateti-piseho aza.
Voarisoa Davidson