Zaza tao anaty « violon » : Nandeha tamin’ny vaovao tao Frantsa

Raha tsy dia nisy nitatitra firy teto an-toerana ny fisian’ny zazakely izay notazonina tao anaty « violon » niaraka tamin’ny ray aman-dreniny, fantatra kosa fa noaterin’ny onjam-peo iray tao Paris ny zava-nitranga omaly. Niainga tamin’ny fizaran’olona iray ny sarin’ny efa-mianaka izay notazonina tao anaty « violon » iray teto an-dRenivohitra ny raharaha. Vetivety dia niely izany nanomboka ny alarobia teo ary betsaka ny nahita izany. Tsy tàna intsony izany ny fieliny ary na dia ny mpanao gazety vahiny aza dia voasintona koa ny masony ary nitatitra izany. Tamin’ny vaovao maraina, dia efa nandeha ilay vaovao ary niompana tamin’ny tsy fanajana ny zon’ny ankizy ary koa ny tsy fanajana ny zon’olombelona ny fikirakiran’ilay onjam-peo ny vaovao.

D.R

Raharaha Jimmy : Eny amin’ny PAC, anio

Vita ny fihainoan’ny fampanoavana azy omaly. Na izany aza anefa dia naverina eny amin’ny zandary etsy Ambohidatrimo indray izy ny andron’iny ihany ary notazonina tao. Ny antony dia satria angatahan’ny fampanoavana miadidy ny ady amin’ny kolikoly izy anio ary entina eny amin’ny birao etsy 67ha arak’izany. Misy fikasana hanao kolikoly tokoa ity raharaha ity, raha saika hanome vola mitentina enina tapitrisa ariary ny zandary izy mba tsy hisamborana azy. Torak’izany koa tamin’ny ray aman-drenin’ireo tovovavy izay nalaina an-keriny. Vola izay samy tsy neken’ireo voalaza etsy ambony. Tsiahivina, fa efa fanindroany ny olona voakasika no voarohirohy tamin’ny raharaha mitovy. Mpila ravinahitra any ivelany izy ary matetika mitontona amin’ny fialan-tsasatra eto Madagasikara no nanaovany ny filan-dratsiny.

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.