Ambohibary : Nanamarina ny fokonolona fa namono olona

Lasa fahazarana tanteraka ny fitsaram-bahoaka. Tsy miafina intsony aza ny olona tompon’antoka fa sahy mijoro vavolombelona ary manasonia taratasy manamarina ny heloka bevava izay natao. Toa izay nitranga tao amin’ny fokontany Ambohimasina, ao anatin’ny kaominina ambanivohitra Ambohibary. Nanao taratasy fanamarinana ny solon-tenam-pokonolona ary nohazavain’izy ireo tao ny famonoana ny olona iray sy ny antony amin’ny ambangovangony. « Novonoin’ny fokonolona izy satria nisy zavatra tsy nety nataony (…) tratra teto izy dia izay no antony namonoana azy » raha araka ny hita tao anatin’ny taratasy, izay taratasy fanamarinana famonoana olona izany raha tena zohina. Izany dia nosoniavin’ireo solontenam-pokonolona teo imason’ny zandarimaria ary misy fitombokasen’io lehiben’io vondron’ny mpitandro ny filaminana io aza etsy ambany. Nanaitra ny sain’ny maro ny zava-nisy ary nahatonga ny fametraham-panontaniana hoe tena efa eken’ny tany tan-dalàna ve izany ny fitsaram-bahoaka ? Sahy mijoro ho vavolombelona ny olona ankehitriny hoe nanatontosa heloka bevava ary dia ny mpitandro ny filaminana mihitsy no hametrahany ny taratasy manamarina an’izany. Raha mitory izany ny havan’ny maty manoloana ny zava-nitranga dia mazava hoazy fa raisim-potsiny avokoa izay mety ho tompon’antoka. Saingy eto amintsika dia sarotra ny tahotra sao koa mainka mandrangitra ny besinimaro izany dia avelavela fotsiny amin’izao ny zava-nisy izay lasa fanao satria ny olona izany dia mahatsapa fa tsy enjehin’ny lalàna ny fitsaram-bahoaka.

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

4 Commentaires - Ecrire un commentaire

  1. hevitro ahy manonkana hialana amin ‘ny tsy fahandriampahalemana sy ny fitsarambahoaka dia : famoronana asa fiarovana sy fanomezana lanja ny asa izay efa misy. izany hoe famoronana lalàna miaro ny asa ny mpampiasa sy ny mpiasa. famoronana traikefa latsankemboka ho an’ ny fisotrondronono(retraite) mba tsy ho very maina ny fikelezan ‘aina niasa, mba ho misy kely antenaina rehefa rahatrizay antitra. latsankemboka ho an ‘ny accident de travail sy ny mba ahafahana mitsabo tena rehefa marary .Ireo zavatra ireo dia efa misy eto madagascar fa saingy olombintsy ihany no afaka miaina amin ‘izany.Midika izany fa traikefa azo tanterahana tsara. hiverenako kely ny amin ‘ny ilay hoe fanomezana lanja ho an ‘ny
    asa efa misy : ohatra ny mpitarika posy ny mpibata entana , ny mpivarotra anana, ny mpanao biriky sy ny mpitaona, ny mpanao kiraro, ny mpanasa lamban ‘olona , ny mpias atrano ….sy ny maro be tsy voa tanisa .Tokony homena lanjany sy ho arovana ny asa toy ireny .Mino aho fa rehefa misy ny lalàna miaro ny mpiasa , ny mpampiasa, indrindra ny asa samy ahazoto hifoha maraina daholo hanao ny asany satria mba misy tanjona. Hanana fahafahana handefa ny ankizy hianatra . azo atao koa ny mamorona lalana obligation ho an’ny ankizy hianatra farafaharatsiny mandrampahafenony 16taona.Formation ho an’ ny tanora tsy an’asa arakarakin’ny ilain’ny fandrosoana. famerenana ny dispensaire , fitsaboana maimaimpoana ho an ny olona izay tena sahirana, fianarana maimaimpoana ho an ny olona izay tena sahirana ihany koa . fanampiana ara-tsosialy arakaraky farimpiainan’ny olona . ambava omana ampo mieritreritra .Misaotra tompoko.

  2. · Edit

    Tena miombon-kevitra aminao aho ry namana Manana

  3. Tsy ny miaramila madinika na zandary madinika alefa any @ tany feno dahalo no tsy manao ny asany fa ireo Kolonely sy Jeneraly nahavita école de Guerre mandray milliards fotsiny nefa tsy misy résultats ny asany . Firy amin’izy ireo no manana orin’asa privée sy 4×4 dernier cris .Lazao fa mandainga aho raha miteny izany .Asa izay ho ataonao Monsieur le Président fa goavana no miandry anao .Mahereza Tompoko .Ahoana ireo Kolonely sy Jeneraly ireo no mipetraka fotsiny dans les grandes villes ,tsy mandoa hofan-trano ,jiro rano ,carburants . Vao mihetsika ny magistrats ,juges na procureurs tia hanova zavatra dia rahonana menaces de mort .Efa ho herin-taona izao koa ho hita eo ny vokany . Vavolombelon’ny mpisa dia ny bainga.

  4. Alohan’ny zavatra rehetra aloha dia misy dingana TSY MAINTSY ARAHINA VAO MITSARA IZANY LAZAINA HOE « FITSARAM-BAHOAKA » IZANY ISIKA:
    1- AIZA ALOHA NY DIDY NA DECRET MANAMBARA FA NY dahalo SY NY devoly REHETRA TOA AZY DIA MAHAZO MANAO HABIBIANA MIHOATRA NOHO NY ALIKA ROMOTRA AMIN’NY OLONA REHETRA IZAY TIANY HANAOVANA IZANY?
    2- AIZA NY ASA MIVAINGANA ATAON’N’IREO IZAY LAZAINA FA MITANDRO NY FILAMINANA FA TOA IZY IREO INDRAY AZA NO MIANTSO NY VAHOAKA HOE : « MBA MILA FIARAHANA MIASA AMINAREO IZAHAY » NY VAHOAKA ANEFA EFA MIFERINAINA VAO MANOMBOKA FOTSINY NY @ 6ORA HARIVA FOTSIINY AZA @ mpanendaka SY NY FORONGONY. IREO LAZAINA FA MPITATITRA KOA MANAO IZAY DANIN’NY KIBONY KA @ 3ORA TOLAKANDRO AZA DIA EFA LALAN’NY MODY TSISY BEDY TSISY VOAKAPOKA, TOY NY MANAO @ MPANENDAKA HOE IZAHAY NO MPIARA MIASA AKAIKY SY MAHAFATRAPO AMINAREO SATRIA BE IREO TAVELA LAVITRA NY FODIANY AZONAREO HANARANAM-PO ENDAHINA SY HANAOVANA IZAY HABIBIANA REHETRA TIANAREO.
    4- Ireo andevon-devoly tsy vanona koa moa manararaotra satria voaaro izy ireo rehefa manao ny asa ratsiny voaaro @ vahoaka efa leon’ny adin-tsaina NOHO NY tsy FILAMINANA izay tonga hatrany an-tokatranony mandrava ao anatin’ny indray mipi-maso izay nohariany am-polo taona maro !!!
    5- Izaho izay anisan’ireo vahoaka ireo nefa dia tsy mitshatra mamerimberina fa ; IZANY LAZAINA FA FITSARAM-BAHOAKA IZANY DIA FOANA HO AZY TSY MISY SEMINERA SY FIKAONAN-DOHA SY KABARY SNS. REHEFA TSY MISY INTSONY IREO andevon-devoly MPANAO IZAY SITRAPONY SY IREO MPIARO AZY MANERANA NY NOSY

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.