Fampiasàna « Roller » : Nanao fampitandremana ny polisy

Hiafara amin’ny fisamborana ho an’izay mbola tratra manao toy izao.

Niainga avy ao amin’ny kaomisarian’i Toamasina ny fampitandremana. Izany dia niainga tamin’ny fitarainana maro izay niantefa tamin’ny tompon’andraikitry ny polisy ao an-toerana. « Maro ny fitarainana azonay pôlisy eto Toamasina mahakasika azy ireny ary tsikaritra fa zaza tsy ampy taona avokoa ny ankamaroan’ny mpampiasa ireo ‘roller’. Araka izany dia manentana ny ray aman-dreny mba hiteny ny zanany izahay mba  ho fisorohana ny loza », raha araka ny filazàna nataon’ny polisy. Lasa loza mitatao ho an’ireo tanora ny fampiasàna ny roller rehefa mihoatra ny loha ny filalaovan’izy ireo azy. Ny tena loza amin’izany dia ny famikiran’ireo ny fiara mifamezivezy eny an-dalambe. Io fihetsika io rahateo no tena nanaovan’ny polisy fampitandremana. « Ny Polisy ao Toamasina dia handray andraikitra avy hatrany ary hisambotra ireo tanora ireo raha mbola mahita azy ireo eny an-dalambe eny »,hoy ilay fampilazàna avy amin’io vondron’ny mpitandro ny filaminana io hatrany. Raha zohina, amin’io fanambaràna io izany dia hiroso amin’ny fandraisana fepetra ny polisy miandraikitra ny filaminana ao an-drenivohitr’i Betsimisaraka raha vao vita ny fotoanan’ny fanentanana. Nahazo ny anjara fanentanana koa ny mpitondra moto. « Manentana ihany koa ny polisy eto Toamasina mahakasika ireo mpitondra sy mpitaingina moto mba hanao aroloha ho fitandrovana ny ain’izy ireoy. Hisy ireo fepetra horaisina raha toa ka mbola misy ireo mpitaingina moto tsy manara-dàlana »,  raha araka ny fanentanana izay sady fampitandreman’ny polisy.

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Un Commentaire - Ecrire un commentaire

  1. Tokony hamoaka ohatra an’io ny eto Antananarivo sy ny tanan-dehibe hafa rehetra.

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.