Fanamparam-pahefana tao Toamasina : Tompon’andraikitra eo anivon’ny « plateforme petrolier » nosamborina

Nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny boriborin-tany faharoa eto Toamasina ny alakamisy tamin’ny 11ora atoandro teo ny tale jeneralin’ny “plate forme pétrolier” Toamasina, ary efa misokatra ny fanadiadiana momba ny fitoriana azy amin’izao fotoana. Raha hiverenana ny tantara natatonga izao fisamborana izao dia ny hetraketraka nataon’ity tale jeneraly ity sy ny mpiambina azy manokana zandary tao anatina trano fandihizizana iray tena malaza eto Toamasina ao Bazary be. Efa mamo ilay zandary mpiabina ity tale jeneraly ity ka nandrorandrora eraky piste fandihizana ary mahavoa ireo mpandihy. Niteny ilay mpiambina efa mamo amin’ny nataony ny samy mpandihy tao amin’ity trano fandihizana saingy avy hatrany dia ambana basy sy fanapoahana basy tifi-danitra maromaro no nahazo ilay mpandihy sahy niteny azy. Tafatsoana ihany ity mpandihy iray ity noho izany fa ny namany indray no nanaovan’ilay zandary mamo sy ilay tale jeneraly efa mamo milaza azy ho tsimatimanota ny habibiany teo. Poa-basy maromaro no nentin’izy ireo nampitahorana azy tamin’izany, nisy zandary tonga anefa raha naheno ny zavatra nitranga nefa nasain’ity tale jeneraly milaza azy ho tsy matimanota nandeha ireto zandary fa tsy misy idiran’izy ireo ny raharaha. Noho ny zava-nanjo ity atao hoe Delice  noho ny tsy fahitana an’i Jerry dia nitory teny amin’ny polisy ny boriborin-tany faharoa ny tenany, ka izao niterika ny fisamborana ity tale jeneralin’ny “plate forme Pétrolier” Toamasina ary mihatrika ny fanadiadiana azy izao ny tenany. Raha ny vaovao fantatra izao dia anio alatsinainy no hiakatra fampanoavana ity tale jeneraly ity.

Malala Didier

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Un Commentaire - Ecrire un commentaire

  1. Tsy « abus de pouvoir » fotsiny izao fa tena délit, agression verbale physique et morale mihitsy, ary « atteinte à la liberté et l’integrité physique d’autrui » sns…tokony hasiana mafy ilehio mba ho anatra ho an’izay miseho azy ho tsy matymanota any aoriana

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.