Ampangabe : Mpianaka maty nilatsaham-baratra

Nitera-doza koa ilay oram-baratra nitranga ny harivan’ny talata teo tao Ampangabe. Mpianaka no maty nilatsahan’ny varatra tao an-trano fonenan’izy ireo. Raha araka ny fanamarihan’ny zandary izay miandraikitra an’Ambohidatrimo sy ny manodidina dia manodidina ny tamin’ny dimy ora sy sasany hariva no niditra tampoka tao an-tranon’izy ireo ny varatra ary nirefotra tao. Mpianaka, renim-pianakaviana 36 taona sy ny zanany 13 taona no indray niara-namoy aina vokatr’izany. Vao tsy tena manomboka akory izany ny fahavaratra dia efa nitera-doza tanteraka izany teto Analamanga. Ranobe tetsy sy teroa, fahafatesana vokatry ny filatsaham-baratra ary fahapotehan’ny tanàna (jereo lahatsoratra etsy ambany).

D.R

Andramasina

Oram-be sy avandra namotika ny tanàna

Raha ranobe no niakatra teto an-drenivohitra tao anatin’ilay oram-baratra nandritry ny talata lasa teo, rivo-doza kosa no niseho tany Andramasina tamin’ny fotoana mitovy. Potika ny 40% an’ny tanàna raha araka ny tatitry ny zandarimaria. Maro ny tranom-panjakana izay lasa ny tafo, nisy koa ny efitranom-panadinana bakalorea izay potika. Tsy latsa-danja ny fahavoazan’ny fambolena satria nisy avandra nilatsaka ary goavam-be izany. Raha ny fanazavan’ny olona dia toa ny rivo-doza mihitsy no niseho tao Andramasina. Porofon’izany rahateo ny fisian’ny hazo nidaraboka tetsy sy teroa. Tsy niomana tamin’ny zava-niseho ny olona satria ny maraina dia mbola nibaliaka  tanteraka ny masoandro kinanjo nivadika izany ny tapak’andro hariva. Toa ny teto an-drenivohitra sy ny faritra Analamanga ihany.

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire