Ambatondrazaka : Famonjàna mpianatra, niaka-pofona ny ray aman-dreny

Jacaranda

Mpianatra efatra mirahalahy sy ankizivavy iray ,miaraka amin’ny mpampianatra amin’ny sekoly tsy miankina iray no nampidirina amponja vonjimaika  ny Alatsinainy  07 Oktobre 2019 rehefa avy nohadihadiana lalina tao amin’ny polisim-pirenena Ambatondrazaka . Raha olona 7 no voarohirohy amin’ny fanaparitahana laza adina  Bac 2019 sy ny fakan-tahaka amin’ny  antontan-taratasim-panadinana efa vita  valiny, dia olona 6 no nampidirina amponja, satria tao no namoaka laza adina tao  ireo  mpampianatra nanao ny valiny fotsiny, ka nahafahan’ireto mpianatra  nandika  ireo  valiny ,izay marihana fa mpianatra sokajy A2 ireo voarohirohy ireo. Araka ny fantatra dia mpampianatra  miasa   amin’ny fanjakana ity mpampianatra iray izay nahazo fahafahana vonjimaika ity. Nahoraka ity fampidirana amponja mpianatra  ity teto Ambatondrazaka , satria ranomaso notovozina no nahazo ny ray aman-dreny miaraka amin’ireo mpianatra ka nalaky nahoraka  ny raharaha ,teo ihany koa ireo  nambaran’ny mpianatra sasany  fa  maro no nanao hosoka fa ireo ihany no voasazy  . Ny  marainan’ny  8 Oktobra 2019 dia nirohitra nitangorina teo amin’ny fonjaben’Ambatondrazaka ireo ray aman-dreny sy ny fianakaviana mba hitady vahaolana sy hikarakara ireto kilonga niditra amponja, nirohitra nihazo ny biraon’ny prefekitiora izy ireo rehefa tsy nahita mangirana ka handrasana ny  valin’ny lahadinika tao. Maro no malahelo sy latsa-dranomaso amin’ireo mpianatra ireo, nisy ihany koa anefa nanambara fa mendrika ny mpangalatra laza adina izao fandraisana andraikitra izao. Araka ny  fantatra  dia ny faran’ny volana Oktobre 2019  any  no hiakatra fitsarana izy ireo ka samy miandry ny  tohiny ny rehetra.

Janus R

Share This Post

One Comment - Write a Comment

  1. mamitaka ny tenany sady ts menatra mi -triche (hosoka).

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.