Raharaha Ambodiazinina Fenerivo Atsinanana : Roa voasazy 05 taona, iray 30 volana, nafahan’ny fitsarana ny 15 ambiny

Jacaranda

Niditra fitsarana tamin’ny andiany faharoa ny fitsarana ady heloka be vava tsotran’ny fitsarana ambony, ny raharaha mikasika ilay nahafaty polisy telo lahy namita iraka tamin’ny fomba feno habibiana tany Ambodiazinina Fenerivo Atsinanana. Nanana ny mpisolovavany avy amin’ny solombavambahoakan’i Fenerivo Atsinanana Mohamad Amad ireo olona 18 voarohirohy. Taorian’ny famoahan’ny fitsarana ady heloka be vava tsotra Toamasina ny didim-pitsarana dia 05 taona asa an-terivozona avy no azon’izy mivady niavian’ilay famonoana tao Ambodiazinina. Nofonjain’ny fitsarana 30 volana an-tranomaizina kosa ilay tovolahy tsy ampy taona tafiditra tamin’izao raharaha izao, satria izy io no isan’ny voatifitr’ ilay polisy maty talohan’ny nialany aina. Nafahan’ny fitsarana madiodio kosa ireo 15 ambiny tamin’izao raharaha Ambodiadinina Fenerivo Atsinanana izao. Tsy afa-po tamin’ny didim-pitsarana nivoaka ny fianakavian’ireo polisy maty sy ny fianakaviam-ben’ ny polisy raha ny angom-baovao natao, satria matoa ireo olona ireo no nosamborina tamin’ireo maro be ao Ambodiazinina, dia noho ny fifandraisan’izy ireo tamin’ity fahafatesana tamin’ny fomba feno habibiana polisy namita iraka ara-dalana sy ara-panjakana ary ara-pitsarana ity. Raha hiverenana ny tantara, dia saika hisambotra olona voarohirohy tamina resaka lavanilina halatra ireto polisy telo lahy ireto ; kanjo sendra ilay fianakaviana vao avy notafihan’andian-jiolahy koa vao herinandro talohan’ny nahatongavan’ireto polisy, ka nivehitra ireto polisy ho andian-jiolahy ka niantso vonjy ary izao tonga tamin’ny famonoana izao, na efa nandrara aza ny filoham-pokontany ny tsy tokony hanaovana izany. Vatobe sy vatan-kazo samihafa no namonoan’ny fokonolona ireto polisy telo lahy namita iraka tamin’izay fotoana izay.

Malala Didier

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.