Andranovory sy Sakaraha : Manjaka indray ny fanankanan-dàlana

Jacaranda

Efa im-betsaka ary saika isam-bolana, dia mitaraina ireo mpitondra fiara mpitatitra fa indrindra indrindra ireo mpandeha amin’ny harivariva sy ny alina, fa tena atahorana mihitsy ny mandalo an’i Andranovory sy Sakaraha raha ho an’i Toliara fa misy mitorabato sy mitifitra mihitsy aza. Voatery arak’izany mandeha mafy be ireo mpamily ny fiara, ka atahorana ny loza, ny làlana raha teo be lavadavaka, ny toy ny hitànay farany teo. Tsy tenenina intsony ireo olona tsy salama na tratra ny tsy fahasalamana tampoka ao anatin’ny fiara, ka mitady « recréation » matetika, nefa ny toerana tsy milamina eo anelanelana an’i Andranovory-Sakaraha. Ilaina arak’izany ny fanatevenana ny toerana misy ireo mpitandro ny filaminana eny an dalana na ireo « points chauds » na dia efa napetraka aza ireo mpitandro ny filaminana anao ny « escorte » .

Anastase

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.