Arivonimamo : Jiolahy avy nanafika, noraisim-potsiny tanaty taxi-brousse

Jacaranda

Dimy lahy, jiolahy rain-dahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana tany amin’iny distrika Arivonimamo iny no tra-tehaky ny zandary raha nikasa handeha hitsoaka handeha taxi-brousse. Mbola nikasa ny hitsoaka moa ny iray tamin’izy ireo ka tsy maintsy nitifitra ireo mpitandro filaminana.

Toeram-pivarotana iray tao Ambodifarihy, distrika Arivonimamo no niharan’ny fanafihan-jiolahy ny herinandro lasa teo. Dimy lahy teo izy ireo ary nirongo fitaovam-piadiana isan-karazany sy ody gasy maromaro. Vola sy enta-madinika isan-karazany no lasa tamin’io fotoana io. Rehefa nahazo antso mahakasika an’io moa ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Arivonimamo dia nidina avy hatrany teny an-toerana, saingy efa nadio tanteraka ny rano nitan’ireo olon-dratsy. Nanomboka teo ny hazalambo sy fikarohana, ary nampandrenesina avokoa ireo zandary  manodidina. Fantatra mantsy fa nitsoaka nihazo lalam-pirenena izy ireo taorian’ilay fanafihana. Napetraka araka izany ny paik’ady rehetra sy ny fisavàna ireo fiara tamin’iny lalam-pirenena voalohany iny. Taorian’ny fisavàna ireo fiara mpitatitra rehetra no nahatsikaritra andian’olona hafahafa ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ankadinondry Sakay. Rehefa nampidinina ireo farany ary nosavaina ihany koa ny entany dia tratra teo ireo fitaovam-piadiana isan-karazany sy ireo ody gasy maromaro. Tamin’io fotoana io anefa no mbola saika tafaporitsaka ihany ny iray tamin’izy ireo. Niezaka nampijanona azy ireo zandary saingy tsy nety ity farany, ka nitifitra azy teo amin’ny tongony ireo mpitandro filaminana. Nentina nohadihadiana avy hatrany ireto olona ireto ka fantatra tamin’izany fa ireo olon-dratsy avy nanafika tao Arivonimamo ry zalahy ireto.

m.L

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.