Biaco : Nanao fanambaram-panana ny Polisy

Jacaranda

Toy ireo tompon’andraikitra rehetra eo amin’ny asam-panjakana dia tonga teny anivon’ny Bianco teny Ambohibao  ny solotenan’ny Tompon’andraikitra avy eo anivon’ny Ministeran’ny filaminam-bahoaka nanatitra ny taratasy fanambaram-pananan’ny polisy, omaly alarobia. Voakasik’izany avokoa moa ny Polisy manana kalitao « Officier de police judiciaire », izany hoe manomboka amin’ny Inspecteur de Police nahavita fihanianana teo anivon’ny Fitsarana no miakatra. Marihina fa ny fanambaram-pananan’ireo polisy eto amin’ny faritra Analamanga ihany ireo naterina omaly ireo. Saingy tsy ny eto Analamanga ihany no manao izany fa ny polisy manerana ny faritra rehetra, ka dia any amin’ny Biraon’ny Bianco any amin’ny faritra misy azy avy no hanateran’ny polisy izany. Izao hetsika izao no natao dia mba hisian’ny fitokisan’ny vahoaka ny polisim-pirenena. Tafiditra indrindra amin’ny « lettre d’engagement » nosoniavin’ny Minisitra ny filaminambahoaka, Rafanomezantsoa izao hetsika atao izao. Fepetra iray izay hiadiana amin’ny kolikoly eo anivon’ity Minisitera ity. Izao fanambaram-pananana izao moa dia hataon’ireo polisy isan-taona, ary voalazan’ny solontenan’ny avy ao amin’ny polisim-pirenena nandritra ny lahateny izay nataony fa takian’ny lalàna ny fanaovana fanambaram-pananana, ary maha voasazy ny tsy fanarahana izany lalàna izany. Noaraisin’ny Tale jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny Bianco an-tanana moa ireo antontan-taratasy ireo, ary nisy ny fanolorana ny tapakila manamarina ny naharaisan’ny Bianco izany antontan-taratasy izany.

T.M.

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.