Ombay mitady : Tsy hita efa ho efa-bolana i Laden

Sao mba nisy nahita i Laden Raveloarijaona ?

Efa tamin’ny volana jona lasa teo no tsy hita Raveloarijaona Laden, lehilahy 50 taona. Ny andron’ny fetim-pirenena no nahitana azy farany, saingy tsy nisy taitra ny olona niara-nipetraka taminy, dia ny reniny sy ny rahalahiny raha tsy niverina nody intsony izy. Nisy fifandrirana mantsy teo amin’ity lehilahy tsy hita ity sy ny rahalahiny, ka lasa nandeha izy fa hoe hisintaka haka saina kely. Nilaza ny handeha ho any Analakely no nivoahan’i Laden ny tranony etsy Andravoahangy io andron’ny 26 jona 2019 io, ny andro koa moa fety rahateo, nefa dia tsy niverina intsony izy. Tsy nahalala izao tsy fahitana azy izao mihitsy ny zanany nandritra izay fotoana naharitraritra izay. Ireo havany niara-nonina taminy koa tsy nampandre na iza na iza. Ny zanany vavy, izay tsy mipetraka eto an-drenivohitra, ka sendra niakatra hikarakara taratasy teto Antananarivo vao haingana, no nahalala fa efa ho volana vitsivitsy ny rainy no tsy nody, ka teo izy vao niezaka nanao izay hitadiavana azy. Tsy nisy vokany aloha izany hatramin’izao. Miangavy ireo olona mety mahalala azy na manam-baovao mikasika an’i Laden, ity zanany ity, mba hiantso maika ny laharana findainy 034 18 312 10. Marihana fa salama vatana sy saina tsara Raveloarijaona Laden tamin’ny fotoana nahitan’ny havany azy farany, efa-bolana lasa izay.

Hanitra R.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.