Taolagnaro : Tokantrano notafihan’ny jiolahy, raim-pianakaviana iray maty voatsatoka antsy

Mila vonjy i Faradofay. Mba hiadiana amin’ny firongatry ny tsy fandriampahalemana misy sy mahazo laka any an-toerana, dia mirary vahaolana haingana avy amin’ny fitondram-panjakana ny mponina. Araka ny vaovao voaray, nitrangan’ny fanafihan-jiolahy narahina vono olona indray tao an-tampon-tanànan’i Taolagnaro, ka tokantrano iray ao amin’ny fokontany Tanambao Ambony no notafihan’ny jiolahy nitam-piadiana, tokony ho tamin’ny roa ora naraina. Maty voatsatoka antsy teo amin’ny kibony, afak’omaly, ny raim-pianakaviana tompon-trano. Na dia noezahina novonjena nialana nenina notsaboina tao amin’ny hopitaly Amboanato aza i Zokibe Mamy, dia tsy tana ny ainy noho ny fahaverezan-drà be loatra.

Eric Manitrisa

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.