Alasora : Fiara nahafaty olona nifanenjehana teny amin’ny by-pass

Jacaranda

Tsy namelan’ny polisy raha tsy voasambotra ilay fiara izay nandona ka nahafaty olona. Teo amin’ny sampananan’Alasora no nanomboka ny fanenjehana ary teny Ifarihy no tratra ilay fiara tsy mataho-dàlana ary nosamborina avy hatrany ny mpamiliny. Ny 25 oktobra teo, raha avy namonjy mariazy ny olona roa dia namonjy fodiana nandeha moto. Nitranga ny lozam-pifamoivoizana ary samy naratra mafy ireo mpitaingina kodiaran-droa. Ilay fiara 4X4 kosa dia tsy nijanona fa nitsoaka avy hatrany raha nahita ny zava-nitranga. Nitsoaka andraikitra izany. Nentina teny amin’ny hopitaly ny naratra izay efa tsy nahatsiaro tena intsony ny iray. Natao ny vonjy aina rehetra saingy tsy tàna intsony ny ain’ilay tovolahy iray 23 taona. Ilay ramatoa 40 taona izay nentiny kosa dia tapaka tanteraka ny tongony ary mbola manohy fitsaboana hatramin’izao. Ny mpamily ny fiarakodia izay nahavanon-doza indray dia tsy nety nijanona rehefa nosakanan’ny polisin’Alasora. Teo no raikitra avy hatrany ny fanenjehana azy. Rehefa voasambotra dia nentina avy hatrany teny amin’ny kaomisarian’Alasora ary teo koa no nahafantarana fa tovolahy 23 taona koa ny mpamily. Nisy tovovavy iray niaraka taminy tao anaty fiara. Notsipihan’ny polisy fa mbola tonga nanidry sy nanao teny tsy am-piheverana koa ny rain’ilay tovolahy nahavanon-doza raha nanoloana ny fianakavian’ireo izay tra-doza. Vao mainka izany nanahirana ny famahana ny olana. Natolotra ny fampanovana ilay tovolahy ary nidoboka am-ponja vonjimaika. Ny tsikaritra tato ho ato dia manao ezaka mafy ny polisy ny amin’ny fikarohana ireo mpamily nahafaty olona avy amin’ny lozam-pifamoivoizana. Vao tamin’ny herinandro teo koa izao no namoahana filazàna fikarohana manerana ny nosy ny mpamily taxi-be iray izay nitsoaka rehefa nahafaty ramatoa 70 taona tamin’ny fiara nentiny. Be loatra tokoa ny fitsoahana rehefa mahavita heloka (délit de fuite) amin’ny lozam-pifamoivoizana, indrindra eto an-drenivohitra. Ilaina ny fandraisana andraikitra toa izany…

D.R

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.