Moramanga : Nisesisesy ny fanafihana

Nitafa tamin’ ny mpanao gazety ny komandin’ ny Vondron- tobim- paritry ny zandary eto Moramanga ny 04 novambra 2019 tao amin’ ny birao fiasany,fa efa any am- ponja ireo dahalo nanafika izay nanao ny asa fanafihana nitety ny Kaominina Ampasipotsy gara, Ambohibary,ary
Anosibe Ifody ireo no lasibatry ny fanafihana mitam- piadiana. Tratran’ ny zandary ato anatin’ ny vondrontobim- paritry Moramanga niaraka tamin’ ny basy lava iray sy ny fitaovana hoentina manafika ary ny fanafody gasy ny roalahy. Izay mbola teo am- panaovana ny asa ratsiny. Efa mpameri- keloka ireto tratra ireto,ary mbola voarohirohy amin’ ny halatr’ omby. Manamafy ny fisafoana atoandro sy alina ireo mpitandro filaminana eto Moramanga.

Cathy

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.