Sambava : Tovolahy roa nirevy tao anaty alim-pandihizana, tra-tehaka niaraka tamin’ny vola sandoka

Jacaranda

Manoloana ny fiparitahan’ny vola sandoka 20 000 Ariary any amin’ny Distrikan’i Sambava, dia sahiran-tsaina ny mponina, indrindra ireo ny any ambanivohitra, satria sarotra amin’izy ireo ny manavaka ny vola tena izy sy ny sandoka.

Nandritra ny alim-pandihizina tao Maroambihy, ny alin’ny 04 novambra teo, dia tanora roa lahy namonjy lanonana tao no nampiasa vola sandoka nividianana toaka, tsaky, . . . nampirevena sipa sy olona maro tao anatin’ity « bal » ity. Tsikaritry ny mpikarakara fa vola tsy tena izy no andoavan’izy roa lahy ireo zavatra laniny, ka nosamborina izy ireo, ary mbola nahasaronana vola sandoka 180 000 Ar tany amin’izy ireo. Nomena safidy izy roa lahy ireto, na hatolotra ny mpitandro filaminana na hanao raharaham-pihavanana, ka hiantoka ny lany rehetra nandritra ny alim-pandihizana tamin’ny mpikarakara, ary tsy nihambahamba izy roa lahy ny nisafidy ny faharoa. Taorian’ny asa ratsiny, dia nitsoaka izy roalahy, ka mbola karohin’ny mpitandro filaminana fatratra hatramin’izao. Raha ny vaovao voaray, dia efa fantatra ny mombamomba an’ ireto tanora roa nanaparitaka vola sandoka ireto, ka ny iray dia zatovo avy ao Maroambihy ihany, fa ny faharoa kosa avy ao Ambodiampana Lokoho. Marihina fa helohan’ny lalàna sazy an-terivozona mandram-pahafaty ny fanaovana sy fampiasana vola sandoka, ary ny fitsarana, na tsy misy aza ny mpitory dia mampanenjika ireo rehetra mandika lalàna, fa tsy vitan’izay fifampiraharahana izany.

Eric Manitrisa

Share This Post

2 Comments - Write a Comment

  1. Mpiray tsikombakomba amin’izy roa lahy izany ilay mpikarakara lanonana. Tokony enjehina.

  2. Eny eto Madagasikara dia azo atao raharaham-pihavanana ny fandikan-dalana. Aiza lay hoe hoe aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana.

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.