Ambongamarina Anjozorobe : Lehiben’ny dahalo lavon’ny zandary, basy Mas 36 azo

Jacaranda

Saika hanafika tao Antanambao Amparihy, distrika Anjozorobe, ireo olon-dratsy no nifanehitra tamin’ireo zandary efa tsara omana tamin’ny fahatongavan’izy ireo. Raikitra ny fifandonana ka lavo tamin’izany ny lehiben’ireto dahalo nitarika ireo mpanafika.

Nahazo loharanom-baovao avy tamin’olona tsara sitrapo ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Anjozorobe, fa hisy andian-dahalo mitady hanafika tao amin’ny tananan’Antanambao Amparihy, kaominina Ambongamarina, ny faran’ny herinandro teo. Tokony ho tamin’ny dimy ora hariva teo no azo ny vaovao ary nidina avy hatrany tany an-toerana izy ireo, izay tanàna tokony ho 25 kilaometatra miala ny tampon-tanàna. Alakamisy io andro io. « Napetraka avokoa ny paikady rehetra hiandrasana ireo mpanafika, niaraka tamin’ireo zandary nanao hetsika fampandrian-tany sy ireo andrimasom-pokonolona » hoy ny filazan’ireo zandary. Tokony ho tamin’ny fito ora hariva tany ho any no tonga tokoa ireo andian-dahalo, notarihana dahalo rain-dahiny iray fantatra amin’ny anarana hoe Ramanasoa. Raha vao nahita ireo mpitandro filaminana vonon-kiandry azy ireo ireo dahalo, avy hatrany dia nanomboka nitifitra. Efa nivonon-kanafika mihitsy mantsy izy ireo, araka ny angom-baovao voaray tokoa, kanefa tsy nampoizin’izy ireo ny fisian’ireo mpitandro filaminana miaraka amin’ny andriamasom-pokonolona efa tsara omana, hanohitra hatramin’ny farany ilay fanafihana. Raikitra teo ny fifandonanana. « Lavo tamin’izany ny jiolahy mpitarika azy ireo voalaza anarana eo ambony io, ka vaky nandositra ireo mpanaraka azy » hoy hatrany ny fanazavana azo.  Azo teny am-pelan-tanan’ity olon-dratsy maty ity moa ny basy Mas 36, miaraka amin’ny bala  folo, fentin’ity olon-dratsy ity manafika sy ny kara-panondrony. Na teo aza moa ny fifampitifirana dia tsy nisy nahiana ny ain’ireo mpitandro filaminana sy ireo andrimasom-pokonolona, hoy hatrany ny vaovao. Mbola mitohy kosa tany an-toerana ny hazalambo sy ny fikarohana ireo olon-dratsy tafatsoaka tamin’io fotoana io.

m.L

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.