Imerintsiatosika : Rangahy 77 taona, maty voafaokan’ny taxi-brousse

Namoizana ain’olona iray indray ny lozam-pifamoivoizana tamin’iny lalam-pirenena voalohany iny ny harivan’ny talata teo. Rangahy lehibe iray, tokony ho 77 taona no maty rehefa voadonan’ ny taxi-brousse teo Imerintsiatosika, tokony ho tamin’ny dimy ora hariva tany ho any. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandarimariam-pirenena dia handeha hiampita ity lehilahy ity no nandalo tampoka ilay taxi-brousse « Sprinter » teo amin’ny PK37+800, fokontany Bemasoandro. Marihana, fa avy aty an-dRenivohitra hizotra ho Any Arivonimamo any ity fiara mpitatitra ity. Mafy ny dona ary nipitika lavitra mihitsy ilay rangahy. Nitsirara teo am-povoan’arabe tanaty rà mandriaka izy, saingy mbola nisy aina kely ihany. Nezahana haingana namonjy toeram-pitsaboana izy tamin’io nefa  teny an-dalana dia tsy tana intsony ny ainy noho ireo ratra be nahazo azy. Marihana, fa mipetraka eo amin’io fokontany io ilay rangahy voadona. Notazonina avy hatrany nentina natao famotorana tany amin’ny biraon’ny zandary nisahana ny fanadihadiana moa ilay mpamily. Voalazany tamin’izany, fa hoe « niampita tampoka ity rangahy ity ka tsy tafajanona intsony ny fiara ary tsy tana intsony ny loza ».

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.